Koa nofidîn’i Lôta ho azy ny faritanin’i Jôrdàna ka nikisaka niantsinanana izy. Toy izany no nisarahan’izy roa lahy.
Genesisy 13:12 - DIEM PROTESTANTA I Abrama nipetraka tao amin’ny tany Kanahàna, fa i Lôta kosa nitoby tao amin’ireo tanàna amin’ny faritanin’i Jôrdàna ka nametraka ny lainy hatrany Sôdôma. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Abrama dia nonina tao amin’ny tany Kanana, fa i Lota kosa dia nonina tany amin’ireo tanàna amin’ny faritra manamorona an’i Jordana ka namindrafindra ny tobiny hatrany Sodoma. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Abrama nipetraka tao amin’ny tany Kanahàna, fa i Lôta kosa nitoby tao amin’ireo tanàna amin’ny faritanin’i Jôrdàna ka nametraka ny lainy hatrany Sôdôma. Baiboly Katolika I Abrama nonina tamin’i Kanaana, ary i Lôta kosa nonina tao afovoan’ireo tanàna eo amin’ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sôdôma. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abrama nonina tao amin’ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin’ny tany amoron’i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma. Malagasy Bible Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma. La Bible en Malgache I Abrama dia nonina tao amin’ny tany Kanana, fa i Lota kosa dia nonina tany amin’ireo tanàna amin’ny faritra manamorona an’i Jordana ka namindrafindra ny tobiny hatrany Sodoma. |
Koa nofidîn’i Lôta ho azy ny faritanin’i Jôrdàna ka nikisaka niantsinanana izy. Toy izany no nisarahan’izy roa lahy.
Nofaohiny niaraka tamin’ireo koa i Lôta zana-drahalahin’i Abrama izay nonina tao Sôdôma mbamin’ny fananany dia lasa izy ireo.
dia niady tamin’i Bera mpanjakan’i Sôdôma sy i Birsa mpanjakan’i Gômôra sy i Sinàba mpanjakan’i Admà sy i Semebera mpanjakan’i Tsebôima ary ny mpanjakan’i Bela na hoe Tsôhara.
Nony hariva dia tonga tao Sôdôma ireo anjely roa. Nipetraka teo am-bavahadin’ny tanàna i Lôta tamin’izay. Raha vao nahita ireo izy, dia nitsangana hitsena azy ary niankohoka teo anatrehany
Tamin’izay indrindra ny TOMPO no nampidina afo sy solifara avy tany an-danitra handoroana an’i Sôdôma sy i Gômôra,
ka nandevona ireo tanàna ireo sy ny mponina rehetra tao aminy ary ny faritany manontolo sy ny zava-maniry rehetra tao aminy.
Nony noravan’Andriamanitra ireo tanàna tamin’ny faritany nipetrahan’i Lôta, dia nahatsiaro an’i Abrahama Izy ka namela an’i Lôta hiala tao amin’ny lozam-paharavana.
Aoka tsy ho voafitaka ianareo, fa «mamohehatra ny toetra tsara ny namana tsy valahara.»