Genesisy 10:7 - DIEM PROTESTANTA Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Sebà sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà. Ny zanakalahin’i Rahemà dia i Saba sy i Dedàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba, i Havila, i Sabta, i Ragama ary i Sabteka. Ny zanakalahin’i Ragama dia i Seba sy i Dedana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Sebà sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà. Ny zanakalahin’i Rahemà dia i Saba sy i Dedàna. Baiboly Katolika Zanak’i Kosy: i Saba, i Hevilà, i Sabata, i Regma ary i Sabatakà. Zanak’i Regma: i Saba. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin’i Ragama dia Seba sy Dedana. Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba, i Havila, i Sabta, i Ragama ary i Sabteka. Ny zanakalahin’i Ragama dia i Seba sy i Dedana. |
I Pisôna no anaran’ny sampan-drano voalohany; io no manodidina ny tany Havilà manontolo izay misy ny volamena,
Ny mpanjakavavin’i Sebà dia nahare ny laza nananan’i Salômôna noho ny anaran’ny TOMPO, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra.
Ny zanakalahin’i Kosy dia i Seba sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà; ny zanakalahin’i Rehamà dia i Sebà sy i Dedàna.
dia nidinan’ny Sabeanina tampoka ka norobainy; novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ny mpanomponao, ary dia izaho irery no afa-nandositra hampandre anao.»
Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.
Hafatra milohateny hoe «Eo an-tany lavavolo». Any an-kirihitr’ala, eo an-tany lavavolo, no aoka handrianareo amin’ny alina, ry andian’olona avy any Dedàna!
Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, ilay Masin’i Israely mpamonjy anao. Nomeko hanavotana anao i Ejipta; ary nataoko solonao i Etiôpia sy i Sebà.
Nifandray ara-barotra taminao koa ny olona avy ao Dedàna. Nitatra tamin’ireo nosy maro ny tsenam-barotrao, ka tandroka ivoara sy hazomainty no natakalony ny entanao.
Ny olona avy any Dedàna kosa nifandray ara-barotra taminao ka nitondra lamba fandrakofan-tsoavaly.
Ny mpivarotra avy any Sebà sy Rahemà ihany koa dia nifandray ara-barotra taminao ka zava-manitra ambony karazana sy vatosoa ary volamena no natolony ho takalon’ny entanao.