Ny toerana maina dia nantsoin’Andriamanitra hoe tany, ary ny rano nihandrona kosa nantsoiny hoe ranomasina; ka hitany fa tsara izany.
Genesisy 1:8 - DIEM PROTESTANTA Ary ny habakabaka nantsoin’Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nataon’Andriamanitra hoe lanitra ny habakabaka. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro faharoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny habakabaka nantsoin’Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa. Baiboly Katolika Nataon’Andriamanitra hoe lanitra, ny habakabaka. Ary nisy hariva sy nisy maraina. Izay no andro faharoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe ,lanitra’. Dia nisy hariva, ary nisy maraina,– andro faharoa izany. Malagasy Bible Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany. La Bible en Malgache Ary nataon’Andriamanitra hoe lanitra ny habakabaka. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro faharoa. |
Ny toerana maina dia nantsoin’Andriamanitra hoe tany, ary ny rano nihandrona kosa nantsoiny hoe ranomasina; ka hitany fa tsara izany.
Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.
Ny mazava nantsoin’Andriamanitra hoe andro, fa ny haizina kosa nantsoiny hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro voalohany.
Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ho antonta roa, dia ny rano ambanin’ny habakabaka sy ny rano ambonin’ny habakabaka.
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hihandrona amin’ny toerana iray ny rano etỳ ambanin’ny lanitra ka ho hita ny toerana maina!» Dia tanteraka izany.
Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy, dia nitsodrano azy Izy ka niantso azy hoe olombelona tamin’ny andro nahariany azy.
Hafatry ny Tompo momba an’i Israely. Izao no teny hentitra ambaran’ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona: