Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany ho rakotra zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy, hazo fihinam-boa isan-karazany eny ambonin’ny tany izay samy manana ny voany avy!» Dia tanteraka izany.
Genesisy 1:7 - DIEM PROTESTANTA Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ho antonta roa, dia ny rano ambanin’ny habakabaka sy ny rano ambonin’ny habakabaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nanasaraka ny rano ambanin’ny habakabaka tamin’ny rano ambonin’ny habakabaka. Dia nisy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ho antonta roa, dia ny rano ambanin’ny habakabaka sy ny rano ambonin’ny habakabaka. Baiboly Katolika Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin’ny habakabaka dia nosarahiny tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka, dia tanteraka izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ambanin’ny habakabaka tamin’ny rano ambonin’ny habakabaka; dia nisy izany. Malagasy Bible Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany. La Bible en Malgache Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nanasaraka ny rano ambanin’ny habakabaka tamin’ny rano ambonin’ny habakabaka. Dia nisy izany. |
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany ho rakotra zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy, hazo fihinam-boa isan-karazany eny ambonin’ny tany izay samy manana ny voany avy!» Dia tanteraka izany.
Ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra izy mba hanazava ny etỳ ambonin’ny tany.» Dia tanteraka izany.
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany hamoaka zava-miaina isan-karazany: biby fiompy, biby madinika mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.
Ary ny habakabaka nantsoin’Andriamanitra hoe lanitra. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro faharoa.
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hihandrona amin’ny toerana iray ny rano etỳ ambanin’ny lanitra ka ho hita ny toerana maina!» Dia tanteraka izany.
Nampiboika loharano eny an-dohasaha Ianao, ka nampikoriana azy anelanelan-tendrombohitra
Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka mitory ny asa vitany;
Na aiza na aiza toerana ianjeran’ny hazo, dia eo amin’izay nianjerany ihany no ijanonany. Raha mavesatra ny rahona, dia handatsaka orana amin’ny tany.
Gaga ny olona ka vaky vava hoe: –Avy aiza àry io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin’ny rivotra sy ny farihy?