Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hisy fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hampiavaka ny andro sy ny alina sady ho marika hamantarana ny fety mbamin’ny andro sy ny taona!
Genesisy 1:6 - DIEM PROTESTANTA Ary Andriamanitra niteny hoe: «Misia habakabaka mba hampisaraka ny rano ho antonta roa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano, ary aoka izany no hampisaraka ny rano amin’ny rano! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary Andriamanitra niteny hoe: «Misia habakabaka mba hampisaraka ny rano ho antonta roa.» Baiboly Katolika Hoy Andriamanitra: «Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano, ary aoka izy hampisaraka ny rano amin’ny rano.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin’ny rano izy. Malagasy Bible Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin'ny rano izy. La Bible en Malgache Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano, ary aoka izany no hampisaraka ny rano amin’ny rano! |
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka hisy fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hampiavaka ny andro sy ny alina sady ho marika hamantarana ny fety mbamin’ny andro sy ny taona!
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra!»
Ny fofonainy no nampahazava ny lanitra, ary ny tanany no namantsika ilay bibilava mpandositra.
Afaka nanampy an’Andriamanitra ve ianao, fony Izy nanefy ny habakabaka sy nahamafy izany toa fitara-by?
Haleloià! Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny Toeramasiny, Miderà Azy eo amin’ny habakabaka isehoan’ny fahefàny.
Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra ary ny habakabaka mitory ny asa vitany;
Na aiza na aiza toerana ianjeran’ny hazo, dia eo amin’izay nianjerany ihany no ijanonany. Raha mavesatra ny rahona, dia handatsaka orana amin’ny tany.
Izy no mipetraka amin’ny sezafiandrianana eo ambonin’ny habakabaka izay andohalambon’ny tany; ka toy ny vitsika no fijeriny ny olona avy eny. Izy no nanenjana ny lanitra toy ny lambabe ary namelatra azy toy ny lay hitoerany.
Fa ny TOMPO kosa no tena Andriamanitra, Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Rehefa tezitra Izy, dia mihorohoro ny tany; ary ny firenena dia tsy mahatanty ny fahavinirany.
Tamin-kery no nanaovan’Andriamanitra ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.
Hafatry ny Tompo momba an’i Israely. Izao no teny hentitra ambaran’ny Tompo Izay namelatra ny lanitra sy namorona ny tany, ary nanome aina ny olona:
Eny, inian’ireo mpaniratsira ireo hadinoina fa hatramin’ny ela Andriamanitra no niteny nampisy ny habakabaka sy ny tany; ka ny tany dia nipoitra avy amin’ny rano sady ny rano koa no nampirafitra azy ho mafy.