Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 1:4 - DIEM PROTESTANTA

Hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava, koa nosarahiny ny mazava sy ny haizina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava ka nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava, koa nosarahiny ny mazava sy ny haizina.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava. Nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny haizina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava ka nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.

Jereo ny toko



Genesisy 1:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny toerana maina dia nantsoin’Andriamanitra hoe tany, ary ny rano nihandrona kosa nantsoiny hoe ranomasina; ka hitany fa tsara izany.


Fa ny tany nampitsimoka zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy isan-karazany, hazo vokatra voankazo izay misy voany na taolany isan-karazany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


sy hanapaka ny andro sy ny alina ary hampisaraka ny mazava sy ny haizina. Ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Nataon’Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin’ny tany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.


TOMPO ô, midera Anao ny asanao rehetra; misaotra Anao ny mpivavaka aminao.


tsara amin’ny olon-drehetra ny TOMPO, be indrafo amin’ny asany rehetra.


Kanto ny fahazavàn’ny andro, ary mahafinaritra ny maso ny fahitana ny masoandro.


Eny, hitako fa tsara kokoa ny fahendrena noho ny fahadalana, tahaka ny mahatsara kokoa ny fahazavana noho ny haizina.


Izaho no mamorona ny mazava sy mahary ny maizina. Izaho no manome fahasambarana sy mahary ny loza. Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany.