Ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra izy mba hanazava ny etỳ ambonin’ny tany.» Dia tanteraka izany.
Genesisy 1:16 - DIEM PROTESTANTA Ary Andriamanitra nanao ny loharanom-panazavana roa lehibe: ny lehibe kokoa dia ny masoandro mba hanapaka ny andro, ary ny kely kokoa dia ny volana mba hanapaka ny alina; dia nanao ireo kintana ihany koa Izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro, ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina ary ny kintana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary Andriamanitra nanao ny loharanom-panazavana roa lehibe: ny lehibe kokoa dia ny masoandro mba hanapaka ny andro, ary ny kely kokoa dia ny volana mba hanapaka ny alina; dia nanao ireo kintana ihany koa Izy. Baiboly Katolika Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra: ny lehibebe kokoa hitarika ny andro, ny kelikely kokoa hitarika ny alina, ary nanao ny kintana koa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe–dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina–sy ny kintana. Malagasy Bible Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana. La Bible en Malgache Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro, ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina ary ny kintana. |
Ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra izy mba hanazava ny etỳ ambonin’ny tany.» Dia tanteraka izany.
Koa isa-maraina dia miseho ilay izy toy ny mpampakatra mivoaka ny tranony; toy ny olo-matanjaka faly maka bahana mba hanefa ny hazakazaka fanaony.
Kanefa ny feon’ny ankizy madinika, eny, ny feon’ireo zaza mbola minono aza no anoheranao ny mpandrafy Anao; ary izany dia toy ny manda natsanganao hampanginanao ireo fahavalonao sy izay te hamaly ratsy.
Ny kintana eny an-danitra, na ny telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavàny intsony; vao miposaka ny masoandro dia ho maizina, ary ny volana tsy handefa ny tarany intsony.
Amin’izay noho ny henatra dia hivoaramena ny volana ary hivaloarika ny masoandro; fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanjaka ao Jerosalema, eo an-tendrombohitra Tsiôna, sady hamirapira-boninahitra eo anatrehan’ireo loholony.
Atopazo eny an-danitra ny masonareo ka jereo: Iza no nahary ny kintana? Tsy iza fa Ilay mamoaka azy isan-tokony toy ny andian-tafika hanao matso sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Lehibe loatra ny heriny ary tena hentitra ny fahefàny ka tsy misy mitsoaka an-daharana ireo.
Izaho no mamorona ny mazava sy mahary ny maizina. Izaho no manome fahasambarana sy mahary ny loza. Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany.
Iza no mametraka ny masoandro ho fanazavana amin’ny antoandro? Iza no mandidy ny volana aman-kintana ho fanazavana amin’ny alina? Iza no manetsika ny ranomasina mba hampisafoaka ny onjany? Ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany. Fa izao no lazain’io TOMPO io:
Noho ny zana-tsipîkanao mamiratra mitsoriaka, noho ny lefonao manjelanjelatra mahajemby, dia tsy nahahetsika ny masoandro sy ny volana.
Raha vao afaka ny fijaliana amin’ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, hiraraka avy eny amin’ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ny herin’ny habakabaka.
Hatramin’ny mitataovovonana dia nanomboka rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin’ny telo tolakandro izany.
hafa ny famirapiratan’ny masoandro, hafa ny famirapiratan’ny volana, ary hafa ny famirapiratan’ny kintana; ary, na ny kintana anankiroa aza, dia samy hafa ny famirapiratany.
Mitandrema fandrao hiandrandra hijery ny habakabaka ianareo ka hahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana mbamin’ny planeta rehetra eny ana habakabaka, dia ho voataona hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanompo azy; fa navelan’ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjaran’ny firenen-kafa rehetra eto amin’izao tontolo izao ireny fanompoan-tsampy ireny.
Ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy: fa ny voninahitr’Andriamanitra no efa manazava azy, ary ny Zanakondry no jiro manilo azy.