Izaho no hiantoka azy ka azonao takîna amiko; fa raha tsy haveriko eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao mandritra ny androko rehetra aho.
Filemona 1:19 - DIEM PROTESTANTA Ny tanako mihitsy no anoratako ireto teny ireto: izaho Paoly no hanonitra izany! Tsy te hilaza aminao akory aho, fa ianao koa anie ka ananako trosa mihoatra noho izany, dia ny maha kristianina anao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho Paoly no manoratra izany amin’ny tanako, izaho no handoa izany, mba tsy hilazako aminao fa ianao mihitsy indray no manan-trosa amiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny tanako mihitsy no anoratako ireto teny ireto: izaho Paoly no hanonitra izany! Tsy te hilaza aminao akory aho, fa ianao koa anie ka ananako trosa mihoatra noho izany, dia ny maha kristianina anao. Baiboly Katolika Izaho Paoly no manoratra ity amin’ny tanako, izaho no hanefa izany, mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako ianao, ary ahy mbamin’ny tenanao aza. Baiboly Protestanta Malagasy izaho Paoly no manoratra izany amin’ny tànako, izaho no handoa izany–nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza hianao. Malagasy Bible izaho Paoly no manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao. La Bible en Malgache Izaho Paoly no manoratra izany amin’ny tanako, izaho no handoa izany, mba tsy hilazako aminao fa ianao mihitsy indray no manan-trosa amiko. |
Izaho no hiantoka azy ka azonao takîna amiko; fa raha tsy haveriko eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao mandritra ny androko rehetra aho.
Noho isika tafaray amin’ny Tompo, izaho Tersy izay nanao an-tsoratra ity taratasy ity dia manao veloma anareo.
Na dia miisa iray alina aza ny mpanabe anareo amin’izao maha kristianina anareo izao, dia tsy maro ray tsy akory ianareo: izaho no rainareo ka nahatonga anareo ho tafaray amin’i Kristy Jesoa tamin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly.
Izaho Paoly mihitsy no manainga anareo, dia izaho izay lazaina fa manetry tena rehefa manoloana anareo, nefa henjana aminareo rehefa lavitra anareo. Miangavy anareo amin’ny fahalemem-panahy sy hamoram-pon’i Kristy aho:
Ianareo mihitsy no taratasinay, taratasy voasoratra ato am-ponay ka fantatry ny olona rehetra sady vakîny.
Fa raha tàhiny misy tafara-dia amiko ny avy atỳ Masedônia, ka mahita anareo tsy mbola vonona, dia hahamenatra anay izany fahatokianay anareo izany! Aoka tsy hoteneniko ny hoe hahamenatra anareo!
Indro fa izaho Paoly no miteny aminareo: raha manaiky hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza i Kristy.
Mamangy anao aho, ry Timôty, dia ianao izay tena zanako ao amin’ny finoana. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Tompontsika!
Mamangy anao aho, ry Tito, dia ianao izay tena zanako ao amin’ny finoana iombonantsika. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika!