Dia niditra ny taranany haka ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny Kanahanîta tompon-tany ka natolotrao ho eo an-tanany. Dia nataony araka izay nitiavany azy ny mpanjaka sy ny vahoakan’izany tany izany.
Estera 9:5 - DIEM PROTESTANTA Nasian’ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany; nataony araka izay sitraky ny fony tokoa ireo mpankahala azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nasian’ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany; nahazo nanatanteraka izay sitraky ny fony tamin’izay nankahala azy izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nasian’ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany; nataony araka izay sitraky ny fony tokoa ireo mpankahala azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nasian’ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin’izay nankahala azy izy. Malagasy Bible Ary nasian'ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin'izay nankahala azy izy. La Bible en Malgache Nasian’ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany; nahazo nanatanteraka izay sitraky ny fony tamin’izay nankahala azy izy ireo. |
Dia niditra ny taranany haka ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny Kanahanîta tompon-tany ka natolotrao ho eo an-tanany. Dia nataony araka izay nitiavany azy ny mpanjaka sy ny vahoakan’izany tany izany.
Nisy iraka nampitondraina ireo taratasy ireo ho any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana. Ny baiko raketiny dia ny handringanana sy hamonoana ho ripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin’ny zaza amam-behivavy aza, ary koa ny handrobana ny fananany. Anatin’ny indray andro monja no hanatanterahana izany fandripahana izany, dia ny andro faha-13 amin’ny volana faha-12 na volana Adara.
Voarakitry ny taratasy fa ny Jiosy isan-tanàna misy azy dia nomen’ny amperôra lalana hivory hiaro ny ainy. Navela koa ry zareo handringana sy hamono ho ripaka izay andian’olona mamely azy any amin’ny firenena sy faritany isan-tokony; azony atao aza ny mamono ny vady aman-janak’ireo sy ny mandroba ny fananany.
Hitako ny faharesen’ireo mpifanandrina amiko, ary reko ny fikaikaikan’ireo mpisetrasetra ahy.
Noho izany, avelao ny zanany ho fatin’ny mosary; ary ny tenan’ireo mpiampanga ahy poteho amin’ny sabatra. Aoka ny vadiny ho maty anaka sy ho tonga mpitondratena. Aoka ny lehilahy lehibe haripaky ny areti-mandringana ary ny zatovony ho faty an’ady.
Satria izao no ara-drariny amin’Andriamanitra: hovaliany fahoriana ireo mpampahory anareo,