Ireo zanakalahin’i Jakôba hafa kosa nanendaka ireo faty sy nandroba ny tanàna noho ny nandotoana ny anabaviny.
Estera 9:16 - DIEM PROTESTANTA Ny Jiosy hafa, nonina tany amin’ny faritany isan-tokony manerana ny fanjakan’ny amperôra, dia nivory koa hiaro ny ainy, rehefa nigadona ny andro faha-13 tamin’ny volana Adara; afaka tamin’ny fahavalony izy ary 75 000 no matiny kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory. Ary nitsahatra izy tamin’ny andro faha-14 ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nivory hiaro ny ainy ny Jiosy hafa izay tany amin’ny fari-piadidian’ny fanjakan’ny mpanjaka ka afaka tamin’ny fahavalony. Dimy arivo sy fito alina no matiny. Kanefa tsy mba norobainy ny fananany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Jiosy hafa, nonina tany amin’ny faritany isan-tokony manerana ny fanjakan’ny amperôra, dia nivory koa hiaro ny ainy, rehefa nigadona ny andro faha-13 tamin’ny volana Adara; afaka tamin’ny fahavalony izy ary 75 000 no matiny kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory. Ary nitsahatra izy tamin’ny andro faha-14 ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin’ny fanjakan’ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin’ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy) Malagasy Bible Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy) La Bible en Malgache Ary nivory hiaro ny ainy ny Jiosy hafa izay tany amin’ny fari-piadidian’ny fanjakan’ny mpanjaka ka afaka tamin’ny fahavalony. Dimy arivo sy fito alina no matiny. Kanefa tsy mba norobainy ny fananany; |
Ireo zanakalahin’i Jakôba hafa kosa nanendaka ireo faty sy nandroba ny tanàna noho ny nandotoana ny anabaviny.
Voarakitry ny taratasy fa ny Jiosy isan-tanàna misy azy dia nomen’ny amperôra lalana hivory hiaro ny ainy. Navela koa ry zareo handringana sy hamono ho ripaka izay andian’olona mamely azy any amin’ny firenena sy faritany isan-tokony; azony atao aza ny mamono ny vady aman-janak’ireo sy ny mandroba ny fananany.
Tany amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakan’ny amperôra Kserksesa, dia nivory tao an-tanànany avy ny Jiosy mba hamely izay nitady hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahatohitra azy, satria nanindry ny olona rehetra ny fahatahorana azy.
Fa hifotitra ny sabatra eny an-tanany ka hitsatoka amin’ny fony ihany; ary ny tsipîkany ho tapatapaka.