ary nanontanian’ny amperôra hoe: –Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.
Estera 9:12 - DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny amperôra tamin’i Estera mpanjakavavy: –Teto Sosany renivohitra aza dia dimanjato lahy no maty naringan’ny Jiosy, ankoatran’izy folo lahy zanak’i Hamàna; ka ho toy inona no nataony tany amin’ny faritany sisa? Kanefa raha mbola misy zavatra angatahinao sy tadiavinao, dia homeko anao sy hotanterahiko izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ny mpanjaka tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia efa nahavono sy naharingana dimanjato lahy mbamin’izy folo lahy, zanak’i Hamana. Koa ahoana kosa ny nataony tany amin’ny fari-piadidiana sisa rehetra manerana ny fanjakan’ny mpanjaka? Ary inona koa no angatahinao? Homena izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Hotanterahina izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny amperôra tamin’i Estera mpanjakavavy: –Teto Sosany renivohitra aza dia dimanjato lahy no maty naringan’ny Jiosy, ankoatran’izy folo lahy zanak’i Hamàna; ka ho toy inona no nataony tany amin’ny faritany sisa? Kanefa raha mbola misy zavatra angatahinao sy tadiavinao, dia homeko anao sy hotanterahiko izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin’izy folo lahy, zanak’i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin’ny isan-tokony eran’ny fanjakan’ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany. Malagasy Bible Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin'izy folo lahy, zanak'i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany. La Bible en Malgache Hoy ny mpanjaka tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia efa nahavono sy naharingana dimanjato lahy mbamin’izy folo lahy, zanak’i Hamana. Koa ahoana kosa ny nataony tany amin’ny fari-piadidiana sisa rehetra manerana ny fanjakan’ny mpanjaka? Ary inona koa no angatahinao? Homena izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Hotanterahina izany. |
ary nanontanian’ny amperôra hoe: –Maninona ianao, ry Estera mpanjakavavy? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.
Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy ny amperôra tamin’i Estera: –Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany.
Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperôra tamin’i Estera: –Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany ary ho azonao tokoa.
Androtr’izay ihany dia nambara tamin’ny amperôra ny isan’ny voavono tao Sosany renivohitra.
Dia nivory indray ny Jiosy tao Sosany iny andro faha-14 tamin’ny volana Adara iny ka namono olona telon-jato lahy tao an-tanàna. Kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
Dia nandray ny tanan’ilay tovolahy ny komandy ka nitondra azy hitokana ary nanontany azy hoe: –Inona izato holazainao amiko?