Nampitaingeniny teo amin’ny kalesiny faharoa izy; ary ireo mpihazakazaka nialoha azy dia niantsoantso hoe: «Mandohaleha!» Toy izany no nanomezan’ny Farao an’i Jôsefa ny fahefana tamin’i Ejipta manontolo.
Estera 6:9 - DIEM PROTESTANTA Hatolotra ny anankiray amin’ireo andriambaventy voatendrinao izany fanamiana sy soavaly izany; ary aoka izay lehilahy irinao homem-boninahitra hampiakanjoiny ny fanamianao sy hampitaingeniny amin’ny soavalinao. Dia io andriambaventy io ihany no hitondra azy eny an-kianjan’ny tanàna sady hiantso eo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tanan’izay ambony indrindra amin’ny mpitondra voatendrin’ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ny soavaly. Dia hoentina eo amin’ny kianjan’ny tanàna izy ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no atao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hatolotra ny anankiray amin’ireo andriambaventy voatendrinao izany fanamiana sy soavaly izany; ary aoka izay lehilahy irinao homem-boninahitra hampiakanjoiny ny fanamianao sy hampitaingeniny amin’ny soavalinao. Dia io andriambaventy io ihany no hitondra azy eny an-kianjan’ny tanàna sady hiantso eo alohany hoe: «Toy izao no ataon’ny amperôra amin’izay lehilahy iriny homem-boninahitra!» Baiboly Protestanta Malagasy dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan’ny anankiray izay malaza indrindra amin’ny mpanapaka voatendrin’ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra. Malagasy Bible dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan'ny anankiray izay malaza indrindra amin'ny mpanapaka voatendrin'ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin'ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra. La Bible en Malgache dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tanan’izay ambony indrindra amin’ny mpitondra voatendrin’ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ny soavaly. Dia hoentina eo amin’ny kianjan’ny tanàna izy ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no atao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra! |
Nampitaingeniny teo amin’ny kalesiny faharoa izy; ary ireo mpihazakazaka nialoha azy dia niantsoantso hoe: «Mandohaleha!» Toy izany no nanomezan’ny Farao an’i Jôsefa ny fahefana tamin’i Ejipta manontolo.
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamàna: –Alaonao faingana àry ny fanamiana sy ny soavaly araka ny voalazanao; ka dia ataovy araka izany amin’i Môrdôkay, ilay Jiosy miasa eo am-bavahadin’ny lapa. Aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao.
Dia niditra i Hamàna ka nanontanian’ny amperôra hoe: –Inona no tokony hataoko amin’izay lehilahy iriko homem-boninahitra? Nihevitra anakampo i Hamàna fa tsy misy irin’ny amperôra homem-boninahitra afa-tsy ny tenany,
Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.