Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 2:6 - DIEM PROTESTANTA

Anisan’ireo nobaboin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy, ka nentiny avy tany Jerosalema niaraka tamin’i Jekônià mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izy io dia babo avy tany Jerosalema niaraka tamin’ireo babo izay noentina niaraka tamin’i Jekonia, mpanjakan’i Joda, izay nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Anisan’ireo nobaboin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy, ka nentiny avy tany Jerosalema niaraka tamin’i Jekônià mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin’ny babo izay nentina niaraka tamin’i Jekonia, mpanjakan’ny Joda, izay nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin'ny babo izay nentina niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'ny Joda, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izy io dia babo avy tany Jerosalema niaraka tamin’ireo babo izay noentina niaraka tamin’i Jekonia, mpanjakan’i Joda, izay nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona.

Jereo ny toko



Estera 2:6
8 Rohy Ifampitohizana  

ary nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Jôiakina mpanjakan’i Joda sy ny reniny mbamin’ny manamboninahiny sy ny filohan-bahoakany ary ny tandapany. Dia nogadrain’ny mpanjakan’i Babilôna ireo tamin’ny taona fahavalo nanjakany.


Ary rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôiakima, dia i Jôiakina zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentin’i Nebokadnetsara ho babo tany Babilôna, ka tonga nanompo azy sy ny zanany ireny mandra-piavin’ny fanjakàn’i Persia.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Kônià zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, dia hoesoriko hiala eo.


Ao ny manontany hoe: «Moa vilany vaky tsy ilaina ve na fanaka tsy misy vidiny intsony ity lehilahy atao hoe Kônià ity? Nahoana no nakifika izy sy ny taranany ka noroahina ho any amin’ny tany tsy fantany akory?»


Ary ny TOMPO naneho tamiko aviavy roa sobika izay voapetraka teo anoloan’ny tempoliny. Taorian’ny nitondran’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna an’i Jekônià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, sy ireo mpifehy an’i Joda mbamin’ireo mpahay taozavatra sy mpanefy vy tao Jerosalema ho babo tany Babilôna no nisehoan’izany.