Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy.
Estera 2:2 - DIEM PROTESTANTA Ka hoy ireo tandapa mpanompon’ny amperôra hoe: –Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny sady tsara tarehy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ireo zatovon’ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka hitadiavana zazavavy virijiny tsara tarehy ny mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy ireo tandapa mpanompon’ny amperôra hoe: –Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny sady tsara tarehy! Baiboly Protestanta Malagasy Ka dia hoy ireo zatovon’ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy; Malagasy Bible Ka dia hoy ireo zatovon'ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy; La Bible en Malgache Hoy ireo zatovon’ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka hitadiavana zazavavy virijiny tsara tarehy ny mpanjaka. |
Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy.
Hoy ny mpanompony taminy: –Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny izay ho eo anatrehanao mandrakariva mba ho mpitaiza anao sy handry eo anilanao, ka dia hafana ianao.
Tamin’ny andro fahafiton’izany fanasambe izany, dia falifaly i Kserksesa azon’ny divay nosotroiny. Koa nampiantsoiny ny tandapa fito lahy izay nanompo azy manokana, dia ry i Mehomàna sy i Bizetà, i Harbônà sy i Bigtà, i Abagtà sy i Zetara ary i Karkasa;
Ny olon-kendry teo akaikin’ny amperôra indrindra dia ry i Karsenà sy i Setara, i Admatà sy i Tarsisy, i Meresa sy i Marsenà ary Memokàna, izay minisitra fito tamin’i Persia sy i Media; nitokiany ry zareo ka nitana toerana voalohany teo amin’ny fanjakana.
Anendreo olona any amin’ny faritany isan-tokony eran’ny fanjakanao, dia aoka ireo no hamory ny tovovavy virijiny sady tsara tarehy ho atỳ Sosany renivohitra. I Hegay, tandapa mpiandraikitra ny tranom-behivavy, no hitandrina azy sady hanome ny fitaovana hikarakarany tena;
Mbola niresaka amin’i Hamàna eo ry zareo no tonga ireo tandapa nirahin’ny amperôra ka nitondra faingana an’i Hamàna ho any amin’ny fanasana izay efa nomanin’i Estera.