I Môrdôkay kosa nitsangantsangana isan’andro teo anoloan’ny kianjan’ny tranom-behivavy mba hahafantarany ny toe-pahasalaman’i Estera sy izay anaovan’ny olona azy.
Estera 2:12 - DIEM PROTESTANTA Nandritra ny herintaona, ireto tovovavy ireto dia nanaraka ny fomba fikarakaran-tena sahaza ny vehivavy, ka enim-bolana notrorina menaka misy miora ary enim-bolana notrorina ilomanitra sy zavatra isan-karazany fampiasam-behivavy. Rehefa tapitra izany herintaona izany, dia mandeha tsirairay any amin’ny amperôra Kserksesa ireo tovovavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tonga ny fotoana hidiran’ny tovovavy tsirairay tany amin’i Ahasoerosy mpanjaka rehefa tapitra ny roa amby folo volana voatendrin’ny lalàna ho amin’ny fomba fiomanan’ny vehivavy ka tapitra tamin’izay ny fotoana hihaingoany: Enim-bolana tamin’ny diloilo nisy miora ary enim-bolana tamin’ny zavamanitra sy ny zavatra hafa fihaingoan’ny vehivavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nandritra ny herintaona, ireto tovovavy ireto dia nanaraka ny fomba fikarakaran-tena sahaza ny vehivavy, ka enim-bolana notrorina menaka misy miora ary enim-bolana notrorina ilomanitra sy zavatra isan-karazany fampiasam-behivavy. Rehefa tapitra izany herintaona izany, dia mandeha tsirairay any amin’ny amperôra Kserksesa ireo tovovavy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony tonga ny andro hidiran’ny zazavavy tsirairay isan-andro tany amin’i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin’ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin’izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin’ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin’ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan’ny vehivavy),– Malagasy Bible Ary nony tonga ny andro hidiran'ny zazavavy tsirairay isan'andro tany amin'i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin'ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin'izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin'ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin'ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan'ny vehivavy), La Bible en Malgache Dia tonga ny fotoana hidiran’ny tovovavy tsirairay tany amin’i Ahasoerosy mpanjaka rehefa tapitra ny roa amby folo volana voatendrin’ny lalàna ho amin’ny fomba fiomanan’ny vehivavy ka tapitra tamin’izay ny fotoana hihaingoany: Enim-bolana tamin’ny diloilo nisy miora ary enim-bolana tamin’ny zavamanitra sy ny zavatra hafa fihaingoan’ny vehivavy. |
I Môrdôkay kosa nitsangantsangana isan’andro teo anoloan’ny kianjan’ny tranom-behivavy mba hahafantarany ny toe-pahasalaman’i Estera sy izay anaovan’ny olona azy.
Nony miala ny tranom-behivavy mba hiditra ao an-dapa razazavavy, dia nomena azy ny zavatra rehetra nilainy;
Anendreo olona any amin’ny faritany isan-tokony eran’ny fanjakanao, dia aoka ireo no hamory ny tovovavy virijiny sady tsara tarehy ho atỳ Sosany renivohitra. I Hegay, tandapa mpiandraikitra ny tranom-behivavy, no hitandrina azy sady hanome ny fitaovana hikarakarany tena;
Nahazo fanambinana teo anatrehan’i Hegay i Estera, satria nahafinaritra azy ny toetran-drazazavavy: nomeny faingana azy ny fitaovana hikarakarany tena sy ny anjara sakafony ary koa mpanompovavy fito izay voafantina manokana avy tao an-dapa; dia nafindrany ho ao amin’ny efitra tsara indrindra tao amin’ny tranom-behivavy izy sy ireo mpanompovaviny.
Iza moa irỳ miakatra avy any an-taniefitra tahaka ny setroka mitambolimbolina ho etona mandraradraraka miora sy emboka mamerovero ary fofon-javamanitra isan-karazany?
Ny fofona manitra hosoloana fofo-maimbo, ny fehikibo marevaka hosoloana tady tsotra, ny randrana tsara voatra hosoloana loha sola. ny fitafiana mihaja hosoloana lamba fisaonana. Eny, ny bika soa hosoloana tomboka vy mahamenatra.
Nivezivezy nankany amin’i Môlôka ianao ka nitondra diloilo sy zava-manitra betsaka; nandefa solotena hatrany lavitra any ianao, ka mova tsy hatrany amin’ny fonenan’ny maty no nampietrenao ny tenanao.