Ireo no zanakalahin’i Jafeta sady niavian’ny firenen-tsamihafa niparitaka any amin’ny nosy maro; ka samy nanana ny taniny araka ny fiteniny avy sy nanana ny fireneny araka ny fokony avy izy.
Estera 10:1 - DIEM PROTESTANTA Ny amperôra Kserksesa dia nampanao asa an-terivozona ny mponina an’atitany sy amorontsiraka teo amin’ny fanjakany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina i Ahasoerosy mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny amperôra Kserksesa dia nampanao asa an-terivozona ny mponina an’atitany sy amorontsiraka teo amin’ny fanjakany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina. Malagasy Bible Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina. La Bible en Malgache Nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina i Ahasoerosy mpanjaka. |
Ireo no zanakalahin’i Jafeta sady niavian’ny firenen-tsamihafa niparitaka any amin’ny nosy maro; ka samy nanana ny taniny araka ny fiteniny avy sy nanana ny fireneny araka ny fokony avy izy.
Ity tantara ity dia nitranga tamin’ny andron’ny amperôra Kserksesa, izay nanjaka tamina faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia.
Tamin’io andro io, andro faha-23 tamin’ny volana fahatelo na volana Sivàna, dia nantsoina ny mpitantsoratry ny amperôra. Araka izay rehetra nandidian’i Môrdôkay no nanoratany taratasy ho an’ny Jiosy sy ny solotenan’ny amperôra mbamin’ny governora sy mpitondra any amin’ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia. Taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony na araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny Jiosy no nataony.
Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.
Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.
«Aoka homem-boninahitra ny TOMPO any amin’ny faritra atsinanana! Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely, aoka homem-boninahitra ny anarany eny amin’ny tany amoron-dranomasina!»
Avy eo dia hitodika amin’ireo nosy indray izy ka hahalasa maromaro; kanjo hisy filohan-tafika vahiny iray hampitsahatra ny fanalam-baràka ataony, ka hampitsingerina izany aminy.
Tamin’izany andro izany, dia namoaka didy ny amperôra Aogosta hampanao fanisàm-bahoaka eran’ny fanjakana rômanina.