fa nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato izy. Ireo vadiny ireo no nampivily ny fon’i Salômôna.
Estera 1:18 - DIEM PROTESTANTA Ary na dia izao anio izao aza, dia handre ny nataon’ity mpanjakavavy ny vadin’ireo manampahefana manerana an’i Persia sy i Media ka samy hamalivaly ny vadiny avy; ary ny hatezeran’ny lehilahy no ho vokatr’izany famingavingan’ny vehivavy izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary na dia amin’izao andro izao aza ny vehivavy manankajan’i Persia sy i Media izay mandre ny nataon’ny vadin’ny mpanjaka dia samy hilaza izany amin’ny mpitondra rehetra voatendrin’ny mpanjaka, koa ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary na dia izao anio izao aza, dia handre ny nataon’ity mpanjakavavy ny vadin’ireo manampahefana manerana an’i Persia sy i Media ka samy hamalivaly ny vadiny avy; ary ny hatezeran’ny lehilahy no ho vokatr’izany famingavingan’ny vehivavy izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary na dia amin’izao andro izao aza ny andriambavin’i Persia sy Media, izay mandre ny nataon’ny vadin’ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin’ny mpanapaka rehetra voatendrin’ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana. Malagasy Bible Ary na dia amin'izao andro izao aza ny andriambavin'i Persia sy Media, izay mandre ny nataon'ny vadin'ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin'ny mpanapaka rehetra voatendrin'ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana. La Bible en Malgache Ary na dia amin’izao andro izao aza ny vehivavy manankajan’i Persia sy i Media izay mandre ny nataon’ny vadin’ny mpanjaka dia samy hilaza izany amin’ny mpitondra rehetra voatendrin’ny mpanjaka, koa ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana. |
fa nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato izy. Ireo vadiny ireo no nampivily ny fon’i Salômôna.
Hiely amin’ny vehivavy rehetra manko izao zavatra vitan’ny mpanjakavavy izao ka hahatonga azy samy hanao tsinontsinona ny vadiny sy hilaza hoe: «Ny amperôra Kserksesa aza nandidy ny hitondrana an’i Vastỳ mpanjakavavy eo anatrehany, nefa tsy nety nandeha izy!»
Koa raha sitrakao, ry andriamanjaka, dia aoka hisy didy havoakanao hisakanana an’i Vastỳ tsy hiseho eo anatrehanao intsony ary hanomezana ny voninahitra maha mpanjakavavy ho ana vehivavy hafa mendrika izany kokoa noho izy; izany didy izany dia hosoratana ao amin’ny lalànan’i Persia sy i Media ka tsy ho azo ovàna.
Izay hendry indrindra tamin’ireo andriambavy namany no nanome azy izao valinteny manaraka izao, ka izany koa no naverimberin’ny tenany hoe: