Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Estera 1:17 - DIEM PROTESTANTA

Hiely amin’ny vehivavy rehetra manko izao zavatra vitan’ny mpanjakavavy izao ka hahatonga azy samy hanao tsinontsinona ny vadiny sy hilaza hoe: «Ny amperôra Kserksesa aza nandidy ny hitondrana an’i Vastỳ mpanjakavavy eo anatrehany, nefa tsy nety nandeha izy!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hiely any amin’ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon’ny vadin’ny mpanjaka izao ka hanaovany tsinontsinona ny vadiny fa samy hilaza izy ireo hoe: I Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy mba hitondrana an’i Vasty vadiny ho eo anatrehany nefa dia tsy nety izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hiely amin’ny vehivavy rehetra manko izao zavatra vitan’ny mpanjakavavy izao ka hahatonga azy samy hanao tsinontsinona ny vadiny sy hilaza hoe: «Ny amperôra Kserksesa aza nandidy ny hitondrana an’i Vastỳ mpanjakavavy eo anatrehany, nefa tsy nety nandeha izy!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa hiely any amin’ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon’ny vadin’ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an’i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa hiely any amin'ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon'ny vadin'ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an'i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hiely any amin’ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon’ny vadin’ny mpanjaka izao ka hanaovany tsinontsinona ny vadiny fa samy hilaza izy ireo hoe: I Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy mba hitondrana an’i Vasty vadiny ho eo anatrehany nefa dia tsy nety izy.

Jereo ny toko



Estera 1:17
5 Rohy Ifampitohizana  

Fa rehefa tonga tao an-tanànan’i Davida ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikàla zanakavavin’i Saoly ka nony nahita an’i Davida mpanjaka nandihy sy nibitaka teo anatrehan’ny TOMPO izy, dia naneso azy anakampony.


Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon’ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran’i Joda.


Dia niteny teo anatrehan’ny amperôra sy ny minisitra i Memokàna ka namaly hoe: –Tsy ny amperôra ihany no nanaovan’i Vastỳ mpanjakavavy izao fihetsika ratsy izao, fa ny manampahefana rehetra koa sy ny vahoaka tsivakivolo isan-tokony eran’ny fanjakana.


Ary na dia izao anio izao aza, dia handre ny nataon’ity mpanjakavavy ny vadin’ireo manampahefana manerana an’i Persia sy i Media ka samy hamalivaly ny vadiny avy; ary ny hatezeran’ny lehilahy no ho vokatr’izany famingavingan’ny vehivavy izany.


Kanefa miantefa aminareo mivady rehetra koa izany: ka aoka samy ho tahaka ny itiavan’ny lehilahy ny tenany no hitiavany ny vadiny, ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.