Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 9:32 - DIEM PROTESTANTA

Fa ny varim-bazaha sy ny ampemby voly aoriana, dia tsy maninona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ny varimbazaha sy ny ampemby no tsy mba ripaka satria mbola fohy ireny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ny varim-bazaha sy ny ampemby voly aoriana, dia tsy maninona.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny varimbazaha sy ny épeautre anefa tsy naninona; afafy aoriana ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ny varimbazaha sy ny ampemby no tsy mba ripaka satria mbola fohy ireny.

Jereo ny toko



Eksodosy 9:32
8 Rohy Ifampitohizana  

Natolotr’i Davida teo an-tanan’ny Gibehônita izy fito lahy ka nahanton’ireo teo an-kavoana iray teo anatrehan’ny TOMPO. Niara-maty avokoa izy fito lahy, satria samy novonoina ho faty tamin’ny fiandohan’ny vaninandro fijinjana ôrza.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba hiantso ny valala, dia hiakatra ao Ejipta ireny ka hihinana ny zava-maniry rehetra sisan’ny havandra.


Natsangan’i Mosesy manondro lanitra tokoa ny tanany, dia nisy haizina mikitroka mandritra ny telo andro teo amin’ny tany Ejipta manontolo.


Ho rakotry ny valala ny tany ka tsy ho hita intsony. Hohaniny ny voly sisa tsy voan’ny havandra, ary tsy hasiany miangana ny hazo maniry rehetra any an-tsaha.


Simba avokoa ny rongony sy ny vary ôrza, fa efa niteraka ny ôrza ary efa mamony ny rongony.


Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ary nivoaka ny tanàna. Nanandra-tanana tamin’ny TOMPO izy ka nivavaka dia nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana.


Fa rehefa voaravony ny tany, dia afafiny ny voan’anana nigela na komîna; avy eo dia alahany ny varim-bazaha sy ny ôrza amin’ny toerana voafaritra ho azy; ny ampemba kosa voleny amin’ny sisiny.


Koa makà varimbazaha sy ôrza, tsaramaso sy voanemba ary ampemby sy vary henjana, dia ampifangaroy anaty vilia iray ireo mba hanaovanao mofo. Izany no ho sakafonao mandritra ny 390 andro izay handrianao amin’ny ilanao.