Manafa-keloka ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; ary ny fanajana ny TOMPO no ialana amin’ny ratsy.
Eksodosy 9:30 - DIEM PROTESTANTA Fantatro anefa izao fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola tena hatahotra ny TOMPO Andriamanitra ihany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kanefa fantatro fa tsy mbola hatahotra NY TOMPO Andriamanitra ihany ianao sy ny mpanomponao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fantatro anefa izao fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola tena hatahotra ny TOMPO Andriamanitra ihany. Baiboly Katolika Fantatro anefa fa mbola tsy hatahotra an’i Iaveh Andriamanitra akory ianao sy ny mpanomponao.» Baiboly Protestanta Malagasy Kanefa fantatro fa hianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an’i Jehovah Andriamanitra ihany. Malagasy Bible Kanefa fantatro fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an'i Jehovah Andriamanitra ihany. La Bible en Malgache Kanefa fantatro fa tsy mbola hatahotra NY TOMPO Andriamanitra ihany ianao sy ny mpanomponao. |
Manafa-keloka ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; ary ny fanajana ny TOMPO no ialana amin’ny ratsy.
Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan’ny TOMPO.
TOMPO ô, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny lalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.