Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra sy moka nihanaka tamin’ny faritany manontolo.
Eksodosy 8:16 - DIEM PROTESTANTA Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehana hiseho eo anatrehan’ny Farao amin’iny izy midina ho eo amoron-drano iny, ka lazao azy hoe: «Izao no andidian’ny TOMPO anao: Alefaso ny vahoakako hanao fanompoam-pivavahana amiko; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ka mijoroa eo anatrehan’i Farao fa indro, handeha ho any amoron-drano izy ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha hanompo Ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehana hiseho eo anatrehan’ny Farao amin’iny izy midina ho eo amoron-drano iny, ka lazao azy hoe: «Izao no andidian’ny TOMPO anao: Alefaso ny vahoakako hanao fanompoam-pivavahana amiko; Baiboly Katolika Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ka tongava eo anatrehan’i Faraôna amin’ilay fotoana ivoahany ho any amoron-drano iny. Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompoany ahy. Baiboly Protestanta Malagasy DIA hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan’i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin’ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Malagasy Bible Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan'i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mifohaza vao maraina ka mijoroa eo anatrehan’i Farao fa indro, handeha ho any amoron-drano izy ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Avelao ny oloko handeha hanompo Ahy. |
Niteny Andriamanitra, dia tonga ny fihitra sy moka nihanaka tamin’ny faritany manontolo.
Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.»
Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe: –Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»
Dia hoy ireo mpimasy tamin’ny Farao: –Herin’Andriamanitra no ao amin’io tehina io! Kanefa ny Farao dia nanamafy ny fony, araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna.
fa raha tsy avelanao handeha izy, dia handefasako fihitra betsaka eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary any an-dapanao. Ho feno fihitra ny tranon’ny Ejiptianina sy ny tany izay itoerany koa.
Kanefa, amin’izany andro izany, dia havahako ny faritany Gôsena izay onenan’ny vahoakako ka tsy hisy fihitra mihitsy any. Amin’izay dia ho fantatrao fa Izaho TOMPO dia eo anivon’ny taninao koa.
Fa hoy i Mosesy tamin’ny Farao: –Raiso ho voninahitrao ny mametra ny fotoana hangatahako amin’ny Tompo ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hanesorana ny sahona aminao sy amin’ny lapanao, ka tsy hisy havela afa-tsy ny ao Neily ihany.