Heverinao fa ho vitan’ny kobaka am-bava ny tetika sy herimpo hoenti-miady! Koa iza no itokianao no mba sahy mikomy amiko izato ianao?
Eksodosy 5:9 - DIEM PROTESTANTA Hamafiso fanompoana ireo olona ireo, dia hifototra amin’izany ka tsy hanonofinofy teny lainga. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hamafiso ny fanompoan’ny olona mba ho lany andro amin’izany izy, fa aza avela ho variana amin’izay lainga foana! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hamafiso fanompoana ireo olona ireo, dia hifototra amin’izany ka tsy hanonofinofy teny lainga. Baiboly Katolika Ka ataovy matin-draharaha izany olona izany, ataovy mikikitra amin’ny asa, ary aoka izy tsy hihaino intsony izao antsanga tsy aman’orana rehetra izao.» Baiboly Protestanta Malagasy Hamafio ny fanompoan’ny olona mba hifotorany amin’izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy. Malagasy Bible Hamafio ny fanompoan'ny olona mba hifotorany amin'izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy. La Bible en Malgache Hamafiso ny fanompoan’ny olona mba ho lany andro amin’izany izy, fa aza avela ho variana amin’izay lainga foana! |
Heverinao fa ho vitan’ny kobaka am-bava ny tetika sy herimpo hoenti-miady! Koa iza no itokianao no mba sahy mikomy amiko izato ianao?
«Hifarana rahoviana izany teny foana izany? Sa inona no manesika anao hamaly toy izany?»
Dia nivoaka ny lapa ireo lehiben’ny fanompoana sy ireo mpitandrin-draharaha ka nilaza tamin’ny Israelita hoe: –Izao no lazain’ny Farao: tsy hanome mololo anareo intsony aho.
Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia takio aminy ihany fa aza ahenanareo, satria olona kamo ireo. Koa izany no itarainany handeha hanao sorona ho amin’ilay Andriamaniny.
dia namaly i Hazarià zanakalahin’i Hosaià sy i Jôhanàna zanakalahin’i Karea ary ireo lehilahy mpirehaka rehetra ka nanao tamin’i Jeremià hoe: –Mpandainga ianao fa tsy naniraka anao hisakana anay tsy handeha hialokaloka any Ejipta ny TOMPO Andriamanitsika.
Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin’ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.»
Izao no nolazainareo: ‹Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra. Efa nitandrina izay nasainy notandremana izahay ary efa nisaona araka ny fomba fanao teo anatrehan’ny TOMPOn’izao rehetra izao, nefa tsy nisy soa azonay akory.
Aza mety hofitahina amin’izay teny foana ianareo; fa ny zavatra toy izany indrindra no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra hihatra amin’ireo olona tsy manaiky Azy.