Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 5:8 - DIEM PROTESTANTA

Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia takio aminy ihany fa aza ahenanareo, satria olona kamo ireo. Koa izany no itarainany handeha hanao sorona ho amin’ilay Andriamaniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola ampanaovy azy ihany fa aza ahenanareo; kamo mantsy izy ireo, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitray!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia takio aminy ihany fa aza ahenanareo, satria olona kamo ireo. Koa izany no itarainany handeha hanao sorona ho amin’ilay Andriamaniny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nefa ny biriky izay ampanaovinareo azy dia hitovy isa amin’ny nataony teo aloha, tsy hanalanareo na iray aza, fa kamo foana izy, ka izay no imenomenonany hoe: ‹Maniry te-handeha hanao sorona amin’ny Andriamanitray izahay.›

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihnay, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitray.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Kanefa ny isan'ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitray.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Kanefa ny isan’ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola ampanaovy azy ihany fa aza ahenanareo; kamo mantsy izy ireo, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitray!

Jereo ny toko



Eksodosy 5:8
6 Rohy Ifampitohizana  

Natolony ho eo an-tanan’ny hafa firenena izy, ary tonga nanompo vahoaka mpankahala azy,


Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao.


Fa novalian’ny Farao hoe: –Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: «Handeha hanao sorona ho an’ny TOMPO izahay.»


Hitan’ireo mpitandrin-draharaha israelita fa tafalatsaka amin’ny kizo izy raha nilazana hoe: «Tsy hahenanareo ny isam-birikinareo, fa ny anjara fanao isan’andro ihany.»


–Aza omenareo mololo toy ny taloha intsony ny Israelita amin’ny fanaovam-biriky, fa izy ireo ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.


Hamafiso fanompoana ireo olona ireo, dia hifototra amin’izany ka tsy hanonofinofy teny lainga.