Mahatalanjona ny fahalehibiazanao fa manapotika ny mpanohitra Anao. Alefanao ny fahatezeranao ka mandoro azy toy ny mololo.
Eksodosy 5:12 - DIEM PROTESTANTA Dia niparitaka manerana ny tany Ejipta manontolo ny Israelita hanangona vodivary hatao mololo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niely manerana ny tany Ejipta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ny mololo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niparitaka manerana ny tany Ejipta manontolo ny Israelita hanangona vodivary hatao mololo. Baiboly Katolika Dia niely eran’ny tany Ejipta ny vahoaka, hifako bozaka hatao solo-mololo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niely eran’ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ny mololo. Malagasy Bible Dia niely eran'ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon'ny mololo. La Bible en Malgache Dia niely manerana ny tany Ejipta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon’ny mololo. |
Mahatalanjona ny fahalehibiazanao fa manapotika ny mpanohitra Anao. Alefanao ny fahatezeranao ka mandoro azy toy ny mololo.
Ianareo ihany no mandehana maka mololo ho anareo amin’izay ahitanareo any, kanefa tsy hisy hahena ny asa fanompoanareo.
Ireo lehiben’ny fanompoana kosa dia nandodona hoe: «Vitao ny asa takîna aminareo isan’andro, tahaka ny tamin’ny mbola nisy mololo ihany!»
Ho toy ny mololo no hanjo ireo mpanandro ireo: ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy tena ho afaka amin’ny herin’izany lelafo izany; fa tsy ho vainafo kely hanendasa-mofo izany na ho fatan’afo tsotra natao hamindroana!
Noho izany, dia ho tahaka ny mololo voadoron’ny afo sy ho tahaka ny bozaka levonin’ny afo no hanjo azy. Ho lò avy any am-potony izy ka ho lasa vovoka ny voniny, satria nariany ny fampianarana naroson’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary notsiratsirainy ny tenin’ilay Masin’i Israely.
Tahaka ny firodorodon’ny kalesy na ny fipoapoaky ny lelafo amin’ny bozaka may no itsambikimbikinany mitety tampon-tendrombohitra. Eny, tahaka ny tafika matanjaka no efa ilaharany mivonon-kiady.
Ny taranak’i Jakôba ho toy ny afo, ny taranak’i Jôsefa ho toy ny lelafo; ny taranak’i Hesao kosa ho toy ny mololo ka harehitr’ireo sy holevoniny, ary tsy mba hisy sisa tavela amin’ny taranak’i Hesao. Izaho TOMPO no efa niteny!»
Tahaka ny tsilo misafotofoto ry zareo izay miboboka mandra-pahamamony ka ho levon’ny afo toy ny ahi-maina.
Ny arafitra eo ambonin’izany fototra izany dia mety ho volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka, na mololo;