Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 4:9 - DIEM PROTESTANTA

Ary raha mbola tsy mino anao izy ka tsy mihaino anao amin’ireo famantarana roa ireo, dia makà rano avy ao Neily ka aidino amin’ny tany maina, fa ho tonga ra eo amin’ny tany io rano io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha toa ka tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na tsy hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao ka hararakao amin’ny tany maina izany; fa izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga ra eo amin’ny tany maina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary raha mbola tsy mino anao izy ka tsy mihaino anao amin’ireo famantarana roa ireo, dia makà rano avy ao Neily ka aidino amin’ny tany maina, fa ho tonga ra eo amin’ny tany io rano io.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary raha tsy mino amin’ireo famantarana roa ireo aza izy, ka tsy mihaino ny feonao, dia haka rano eo amin’ny ony ianao, hanosaka azy amin’ny tany, fa io rano nalainao teo amin’ny ony io hanjary ra eo amin’ny tany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily hianao, ka haidinao amin’ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga ra eo amin’ny tany maina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha toa ka tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na tsy hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao ka hararakao amin’ny tany maina izany; fa izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga ra eo amin’ny tany maina.

Jereo ny toko



Eksodosy 4:9
5 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Raha tsy mino anao izy ka tsy mihaino anao amin’ny famantarana voalohany, dia hino anao kosa izy noho ny famantarana manaraka.


Noho izany, dia lazain’ny TOMPO fa hahafantatra ny maha IZY AZY ianao amin’ity indray mandeha ity. Hokapohiko amin’ity tehina eto an-tanako ity manko ny ranon’i Neily, dia hiova ho ra.


fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.