Eksodosy 4:16 - DIEM PROTESTANTA Izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo anao, izy no hisolo vava anao; ary ianao kosa aminy dia ho tahaka an’Andriamanitra manolo-tsaina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izy no ho solovavanao hiteny amin’ny olona, ary ianao kosa dia ho solon’Andriamanitra ho azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo anao, izy no hisolo vava anao; ary ianao kosa aminy dia ho tahaka an’Andriamanitra manolo-tsaina. Baiboly Katolika Izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo anao; ho solom-bavanao izy, ary ianao kosa ho solon’Andriamanitra aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy hiteny amin’ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary hianao kosa ho solon’Andriamanitra aminy. Malagasy Bible Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy. La Bible en Malgache Ary izy no ho solovavanao hiteny amin’ny olona, ary ianao kosa dia ho solon’Andriamanitra ho azy. |
Henoy àry ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin’Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan’Andriamanitra ny raharaha mampifanolana.
Koa mandehana ianao ankehitriny, fa homba anao Aho rehefa hiteny ianao, ka Izaho no hanoro anao izay tokony holazainao.
Nambaran’i Aharôna azy ireo avokoa ny teny rehetra izay nolazain’ny TOMPO tamin’i Mosesy, ary notanterahiny teo imason’ny Israelita ny famantarana.
Dia naka horonan-taratasy iray hafa i Jeremià ka nomeny an’i Baròka, zanakalahin’i Nera sady mpanoratra. Ary nosoratany tao izay notononin’i Jeremià, dia ireo hafatra rehetra izay efa tao amin’ilay boky nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda; sady mbola niampy hafatra maro tahaka ireny koa.