Eksodosy 39:5 - DIEM PROTESTANTA Notenomina ho iray amin’ny efôda sady natao tamin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ary nataony volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary kofehy rongony fotsy madinika voahasina, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notenomina ho iray amin’ny efôda sady natao tamin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Baiboly Katolika Ny fehin-kibo tambonin’ny efôda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Malagasy Bible Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. La Bible en Malgache Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ary nataony volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary kofehy rongony fotsy madinika voahasina, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy. |
Hotenomina ho iray amin’ny efôda sady hatao amin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda.
Avy eo dia ampiakanjoy an’i Aharôna ny fanamiana voatokana: dia ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny efôda ary ny saron-tratra, ka afatory ny samboadin’ny efôda.
Namboarina ny vato berila dia natao tao anaty bokom-bolamena; nosoratana an-tsokitra teo ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba, natao toy ny fisokitra tombokase.
Dia nampiakanjoiny an’i Aharôna ny akanjo lava anatiny sady noetràny fehikibo; avy eo nampiakanjoiny azy ny akanjo lava ivelany ary ny efôda no nataony teo amboniny, efôda izay nogiaziny tamin’ny fatorany ka natafiny azy.
sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.
Fa izao no hafatra noraisiko tamin’ny Tompo ary nampitaiko taminareo: I Jesoa Tompo tamin’ilay alina nanolorana Azy, dia nandray mofo;
ary teo afovoan’ireo fitoeranjiro ireo dia nisy tahatahaka ny Zanak’olona, niakanjo akanjo lava, nanao etra volamena manodidina ny tratrany;