Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 39:22 - DIEM PROTESTANTA

Ny akanjo lava ivelany izay hitondran’i Aharôna ny efôda dia natao manontolo tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nataony indray ny akanjobe misy ny efoda, asan’ny mpanenona, ka nataony miloko manga tokam-bolo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny akanjo lava ivelany izay hitondran’i Aharôna ny efôda dia natao manontolo tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Jaky volomparasy avokoa no nanaovana ny akanjo lavan’ny efôda, asan-tanan’ny mpanenona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan’ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao ny akanjo ivelany misy ny efoda, asan'ny mpanenona, izy, ka nataony manga avokoa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nataony indray ny akanjobe misy ny efoda*, asan’ny mpanenona, ka nataony miloko manga tokam-bolo.

Jereo ny toko



Eksodosy 39:22
2 Rohy Ifampitohizana  

Natohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.