Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 38:4 - DIEM PROTESTANTA

Namboarina ny makarakara halimo miendrika harato, ka napetraka teo akaikin’ny fisasahan’ny aty alitara, teo ambanin’ny fehivavany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ny alitara izy, eo ambanin’ny alitara hatreo amin’ny fisasahany izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Namboarina ny makarakara halimo miendrika harato, ka napetraka teo akaikin’ny fisasahan’ny aty alitara, teo ambanin’ny fehivavany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nanaovany karakara varahina ny ôtely, nataony toy ny harato, dia napetrany teo ambanin’ny koronosin’ny ôtely, avy eo ambany ka hatreo amin’ny fisasahany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ny alitara izy, dia eo ambanin’ny sikiny, hatreo am-bodin’ny alitara ka hatreo amin’ny fisasahany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao makarakara vara­hina tahaka ny harato ho eo amin'ny alitara izy, dia eo ambanin'ny sikiny, hatreo ambodin'ny alitara ka hatreo amin'ny fisasahany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ny alitara izy, eo ambanin’ny alitara hatreo amin’ny fisasahany izany.

Jereo ny toko



Eksodosy 38:4
4 Rohy Ifampitohizana  

Hisy makarakara halimo miendrika harato hamboarina; ary haba halimo iray no hapetaka isaky ny zorony.


Hapetraka eo akaikin’ny fisasahan’ny aty alitara io makarakara io, eo ambanin’ny fehivavany.


Halimo koa no nanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.


Natao ny haba halimo efatra ka napetaka teo amin’ny zoro efatry ny makarakara halimo mba hitsofohan’ny bao.