Eksodosy 38:25 - DIEM PROTESTANTA Ny fitambaran’ny volafotsy voarotsaka tamin’ny fanisàm-bahoaka dia 3 017 kilao sy 750 grama araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, araka ny sekela masina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny fitambaran’ny volafotsy voarotsaka tamin’ny fanisàm-bahoaka dia 3 017 kilao sy 750 grama araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Baiboly Katolika Ny volafotsy avy amin’ny olona voaisa tamin’ny fiangonana kosa, nahatratra talenta zato sy sikla dimy amby fitopolo sy fiton-jato amby arivo, araka ny sikla masina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina: Malagasy Bible Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina: La Bible en Malgache Ary ny volafotsy avy tamin’ny olona izay voaisa tamin’ny fiangonana dia talenta zato sy sekela dimy amby fitopolo sy fitonjato sy arivo, araka ny sekela masina. |
–Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin’ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin’ny fanisana.
Rehefa voaangonao avy amin’ny Israelita rehetra izany vola izany, dia hampiasainao hikojakojana ny Tranolay fihaonana. Izany no hahatsiarovako ny Israelita ka hiarovako ny ainy.
–Ataovy ny fanisana ny fiangonan’ny Israelita rehetra araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ka raiso tsirairay ny anaran’ny lehilahy rehetra,
–Manaova fanisàm-bahoaka isam-pianakaviana eo amin’ny Fiangonan’i Israely, dia izay lehilahy rehetra roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana.