Natambany ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia nataony toy izany koa ny dimy hafa.
Eksodosy 36:9 - DIEM PROTESTANTA Nitovy refy avokoa ny lamba temitra rehetra, ka 14 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roapolo hakiho ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho: Nitovy refy ny ambainy rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitovy refy avokoa ny lamba temitra rehetra, ka 14 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany. Baiboly Katolika Valo amby roapolo hakiho no halavan’ny ambainy iray ary efatra hakiho no sakany; mitovy avokoa ny haben’ny ambainy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra. Malagasy Bible Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra. La Bible en Malgache Ny halavan’ny ambainy iray dia valo amby roapolo hakiho* ary ny lambanan’ny ambainy iray dia efatra hakiho: Nitovy refy ny ambainy rehetra. |
Natambany ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia nataony toy izany koa ny dimy hafa.
Dia nanamboatra ny fonena-masina ny mpahay taozavatra mahay indrindra; lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovany azy, ka noravahany kerobima vita peta-kofehy tsara.