Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 36:4 - DIEM PROTESTANTA

Noho izany, ireo mpahay taozavatra rehetra izay nirotsaka tamin’ny fanamboarana ny Toeramasina dia nanapaka ny asany,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanatona ireo manan-talenta rehetra izay nanao ny asa manontolo ao amin’ny fitoerana masina, ary niala tamin’ny asa nataony avy

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany, ireo mpahay taozavatra rehetra izay nirotsaka tamin’ny fanamboarana ny Toeramasina dia nanapaka ny asany,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tamin’izay ireo olo-mahay nanao ny asa rehetra momba ny fitoerana masina, samy niato tamin’ny raharaha nataony,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin’ny fitoerana masina, samy niala tamin’ny asany izay nataony avy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanatona ireo manan-talenta rehetra izay nanao ny asa manontolo ao amin’ny fitoerana masina, ary niala tamin’ny asa nataony avy

Jereo ny toko



Eksodosy 36:4
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia nikatroka ny mpiasa, ka nandroso tsara ny asa nataony; ary namboariny ho toy ny teo aloha sady nohamafisiny ny tranon’Andriamanitra.


Natolotr’i Mosesy an-dry zareo ny fanomezana nentin’ny Israelita hanaovana ny Toeramasina. Isa-maraina dia mbola nisy nitondra fanomezana an-tsitrapo teo anatrehan’i Mosesy.


mba hilaza amin’i Mosesy hoe: «Nitondra mihoatra noho izay ilaina amin’ny fanatontosana ny asa nodidian’ny TOMPO hatao ny vahoaka.»


–Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren’ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ny anjara sakafony ara-potoana?


Ka hoy ny Tompo hoe: –Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren’ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ireo ny anjara sakafony ara-potoana?


Araka ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy, dia nametraka ny fototra toy ny mpità-marika mahay aho; ary olon-kafa no mandrafitra eo ambonin’izany. Kanefa aoka samy hitandrina tsara ny fomba andrafetany;