Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 34:4 - DIEM PROTESTANTA

Dia nanamboatra vatofisaka roa mitovy amin’ny teo aloha i Mosesy. Ny ampitso vao maraina dia niakatra teny Sinay araka ny baiko nomen’ny TOMPO azy izy, sady nitondra ireo vatofisaka roa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nipaika vato fisaka roa tahaka ilay teo aloha i Mosesy, ary nifoha vao maraina izy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy; ary noentiny teny an-tanany ny vato fisaka roa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanamboatra vatofisaka roa mitovy amin’ny teo aloha i Mosesy. Ny ampitso vao maraina dia niakatra teny Sinay araka ny baiko nomen’ny TOMPO azy izy, sady nitondra ireo vatofisaka roa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nipaika takelaka vato roa tahaka ireo voalohany i Môizy; ka nifoha maraina koa, niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian’i Iaveh azy; nentiny teny an-tanany ny takelaka vato roa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nipaika vato fisaka roa tahaka ilay teo aloha i Mosesy, ary nifoha vao maraina izy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’NY TOMPO azy; ary noentiny teny an-tanany ny vato fisaka roa.

Jereo ny toko



Eksodosy 34:4
6 Rohy Ifampitohizana  

Nidina nankeo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an’i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.


Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra. Dia niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Izao no hambaranao amin’ny taranak’i Jakôba, dia ny Israelita.


Asan’Andriamanitra ireo vatofisaka roa ireo, nosoratan’ny tanan’Andriamanitra mihitsy.


Nandidy an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Manamboara vatofisaka roa toy ny teo aloha; hosoratako amin’ireo ny teny mitovy amin’izay voasoratra tamin’ireo vatofisaka voalohany efa nopotipotehinao.


Tamin’izany andro izany no nilazan’ny TOMPO tamiko hoe: «Manamboara takela-bato anankiroa tahaka ny teo, ary manaova koa vatahazo anankiray; dia miakara ho atỳ amiko atỳ an-tendrombohitra.


Dia nanao vata tamin’ny hazo akasia aho sy nanamboatra takela-bato anankiroa tahaka ny teo, ary niakatra tao an-tendrombohitra ka nitondra ny takela-bato anankiroa teny an-tanako.