Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 32:2 - DIEM PROTESTANTA

Fa novalian’i Aharôna hoe: –Esory ny kavim-bolamena eny an-tsofin’ny vadinareo sy ny zanakalahinareo ary ny zanakavavinareo, ka ento atỳ amiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Arona taminy: Esory ary ny kavim-bolamena izay eny amin’ny sofin’ny vadinareo sy ny zanakareo lahy ary ny zanakareo vavy ka ento etỳ amiko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa novalian’i Aharôna hoe: –Esory ny kavim-bolamena eny an-tsofin’ny vadinareo sy ny zanakalahinareo ary ny zanakavavinareo, ka ento atỳ amiko.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy i Aarôna tamin’izy ireo: «Esory àry ny kavim-bolamena, eny an-tsofin’ny vadinareo aman-janakareo lahy na vavy, ka ento atỳ amiko.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin’ny sofin’ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Arona taminy: Esory ary ny kavim-bolamena izay eny amin’ny sofin’ny vadinareo sy ny zanakareo lahy ary ny zanakareo vavy ka ento etỳ amiko.

Jereo ny toko



Eksodosy 32:2
13 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tapitra nisotro ny rameva, dia naka kavin’orona volamena iray tokony ho folo grama sy haba volamena roa tokony ho zato grama avy izy ho an-drazazavavy,


Ary rehefa nanontany azy aho hoe: «Zanak’iza moa ianao?», dia novaliany hoe: «Zanakavavin’i Betoela aho, ary zafikelin’i Nahôra sy i Milkà.» Dia napetrako teo amin’ny oron-drazazavavy ny kavina ary nataoko teny an-tanany ny haba.


Koa aza ataonareo ho toy ny andriamani-bolafotsy na volamena Aho, ary aza manamboatra ireny ho anareo.


Dia samy manaisotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny ny Israelita rehetra, ka nitondra ny azy tany amin’i Aharôna.


Tonga ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra malala-tanana nitondra firavaka volamena isan-karazany, fisisika, kavina, peratra na vakana, ka nanolotra azy ho an’ny TOMPO araka ny fihetsika fanolorana izany.


Toy ny kavina sy rojo volamena no hasoan’ny anatry ny hendry amin’izay mihaino.


ny kavina jejo sy ny rojo ary ny voaly;


Hoheverinao ho zava-maloto ny sampy voasokitra mifono volafotsy sy ny sarivongana voarakotra volamena, ka hatsipinao toy ny zava-maharikoriko ary hataonao hoe: «Mialà amiko!»


Nalainao ny firavaka volamena sy volafotsy izay nomeko anao ka nampiasainao hanamboarana sampy miendri-dehilahy, dia nanaram-po nijangajanga taminy ianao.


Noho izany, Izaho TOMPO hamefy tsilo ny lalany ka hanampina izany; ary tsy hahita izay halehany izy.