Koa omeo ahy mpanomponao ny saina mahiratra hifehezako ny vahoakanao sy hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa, raha tsy eo izany, iza moa no hahay mifehy izao vahoakanao marobe izao?
Eksodosy 31:3 - DIEM PROTESTANTA ary nofenoiko ny Fanahiko mba ho tena kinga sy marani-tsaina ka mahalala ny haitao isan-karazany: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, amin’ny fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahalalana ny amin’ny taozavatra maro samihafa, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary nofenoiko ny Fanahiko mba ho tena kinga sy marani-tsaina ka mahalala ny haitao isan-karazany: Baiboly Katolika Efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahaizana momba ny taozavatra rehetra hamoronany asa vaovao; Baiboly Protestanta Malagasy ary efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa: Malagasy Bible ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa: La Bible en Malgache ary efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, amin’ny fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahalalana ny amin’ny taozavatra maro samihafa, |
Koa omeo ahy mpanomponao ny saina mahiratra hifehezako ny vahoakanao sy hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa, raha tsy eo izany, iza moa no hahay mifehy izao vahoakanao marobe izao?
Tany Tiro dia nisy lehilahy nantsoina hoe Hirama izay mpiasa havanana momba ny halimo. Lehilahy tirianina ny rainy ary vehivavy mpitondratena avy amin’ny fokon’i Naftalỳ ny reniny. Io Hirama io dia tena kinga sy mahira-tsaina ary mahay tsara ny fanaovana ny asa isan-karazany momba ny halimo. Izany no nampiantsoan’i Salômôna mpanjaka azy avy any Tiro mba hanao ny asa rehetra ilany azy.
Andefaso hazo sedera sy kipreso ary hazo sarobidy avy any Libano koa aho, satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libano ireo mpiasanao; ary indreto ny mpiasako fa hiaraka amin’ny mpiasanao
Ny torohevitra rehetra dia ambarao amin’ireo mpahay taozavatra izay nofenoiko hakingana, ka ireo no hanao ny fanamiana izay hoentin’i Aharôna amin’ny fanokanana azy ho mpisorona ho Ahy.
ary nofenoiny ny Fanahiny mba ho tena kinga sy marani-tsaina, ka mahalala ny haitao isan-karazany:
Nomeny azy roa lahy ny talenta hanao asa isan-karazany: ny mandidy vatosoa, ny manao sary, ny manao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ny manao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony madinika, ny manenona ary ny manatontosa asa samihafa na mamorona zava-kanto.
Fa ny TOMPO no manome ny fahendrena; ary avy amin’ny vavany no mipoitra ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina.
Izy no hanome fahaiza-mitsara an’izay mipetraka hitsara ary koa hanome herimpo an’ireo mpanosika ny fahavalo manafika eo anoloan’ny vavahady.