Izay rehetra voaisa dia samy hanome vola antsasaky ny sekela, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Io vola io dia haloa ho Ahy TOMPO,
Eksodosy 30:14 - DIEM PROTESTANTA avy amin’ny Israelita rehetra voaisa ka roapolo taona no ho miakatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, no handoa ny anjara fanomezana ho an’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara avy amin’ny Israelita rehetra voaisa ka roapolo taona no ho miakatra. Baiboly Katolika Samy handoa ny hajian’i Iaveh avokoa ny lehilahy anatin’ny voaisa rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra. Baiboly Protestanta Malagasy Izay rehetra voalamina hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an’i Jehovah. Malagasy Bible Izay rehetra voalamina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an'i Jehovah. La Bible en Malgache Izay rehetra voaisa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, no handoa ny anjara fanomezana ho an’NY TOMPO. |
Izay rehetra voaisa dia samy hanome vola antsasaky ny sekela, araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina. Io vola io dia haloa ho Ahy TOMPO,
Ny mpanankarena tsy handoa mihoatra antsasaky ny sekela, ary ny mahantra koa tsy handoa latsak’izany; fa ny tsirairay samy handoa ho AHY ny vola voatondro mba hanavotra ny ainy.
«Ny olona rehetra eo amin’ny tany no hanefa izany tolotra izany ho an’ny printsy filohan’i Israely.
ka novoriny ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, dia nosoratany ny anaran’ny lehilahy israelita rehetra feno roapolo taona no ho miakatra araka ny fianakaviany sy ny fokony avy,
Ny isam-pokon’i Israely no nanaovam-panisana araka ny tarika sy ny fianakaviany avy, ka nanoratana ny anaran’ny lehilahy rehetra feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana. Natomboka tamin’ny fokon’i Reobena lahimatoan’i Jakôba izany. Toy izao manaraka izao ny isa azo: Ny fokon’i Reobena: 46 500 Ny fokon’i Simehôna: 59 300 Ny fokon’i Gada: 45 650 Ny fokon’i Joda: 74 600 Ny fokon’i Jisakara: 54 400 Ny fokon’i Zebolòna: 57 400 Ny fokon’i Efraîma zanakalahin’i Jôsefa: 40 500 Ny fokon’i Manase zanakalahin’i Jôsefa: 32 200 Ny fokon’i Benjamîna: 35 400 Ny fokon’i Dana: 62 700 Ny fokon’i Asera: 41 500 Ny fokon’i Naftalỳ: 53 400
dia izay vatan-dehilahy feno roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana. Ianao sy i Aharôna no hanisa ireo araka ny tafika misy azy avy.
Ho faty ka hiampatrampatra amin’ity taniefitra ity ianareo. Ianareo rehetra izay nanaovana fanisana, dia ny roapolo taona no ho miakatra fahizany, no ho faty satria efa nimonomonona tamiko.
–Manaova fanisàm-bahoaka isam-pianakaviana eo amin’ny Fiangonan’i Israely, dia izay lehilahy rehetra roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana.
«Ireo olona izay niakatra avy tany Ejipta ka feno roapolo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa homena azy, satria tsy nanaraka ny teniko izy.