Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 27:4 - DIEM PROTESTANTA

Hisy makarakara halimo miendrika harato hamboarina; ary haba halimo iray no hapetaka isaky ny zorony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manamboara mason-drojo varahina efatra hatao eo ambonin’ny harato eo amin’ny zorony efatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hisy makarakara halimo miendrika harato hamboarina; ary haba halimo iray no hapetaka isaky ny zorony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary manaova karakara varahina miendri-karato ho an’ny ôtely ka asio masom-barahina efatra ny zorony efatra amin’io harato io,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin’ny harato eo amin’ny zorony efatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin'ny harato eo amin'ny zorony efatra,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manamboara mason-drojo varahina efatra hatao eo ambonin’ny harato eo amin’ny zorony efatra.

Jereo ny toko



Eksodosy 27:4
6 Rohy Ifampitohizana  

Haba volamena efatra no hotefena ka haraikitra eo amin’ny zorony efatry ny Vatamasina, dia samy roa an-daniny avy.


Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.


Hapetraka eo akaikin’ny fisasahan’ny aty alitara io makarakara io, eo ambanin’ny fehivavany.


ny alitara fanaovana sorona sy ny makarakarany halimo ary ny baony mbamin’ny fitaovana rehetra miaraka aminy; ny kovetabe sy ny faladiany,


Io no nampiasaina nanamboarana ny faladian’ny andry teo amin’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ny alitara halimo sy ny makarakarany halimo, ny fitaovana rehetra teo amin’ny alitara,