Farango halimo dimampolo no hamboarina, dia hatsofoka amin’ny tadivavarana mba hampikambana ny lay ho iray ihany.
Eksodosy 26:10 - DIEM PROTESTANTA Hopetahana tadivavarana dimampolo ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova tadivavarana dimampolo eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana, ary tadivavarana dimampolo koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny iray hafa izay efa voavitrana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hopetahana tadivavarana dimampolo ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa. Baiboly Katolika Hasianao tadivavarana dimampolo ny vavan’ny ambainy sisin’ireo navitrana voalohany ary dimampolo koa amin’ny vavan’ireo navitrana faharoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny anankiray koa efa voavitrana. Malagasy Bible Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana. La Bible en Malgache Manaova tadivavarana dimampolo eo an-tsisin’ny ambainy iray izay farany amin’ny efa voavitrana, ary tadivavarana dimampolo koa ho eo an-tsisin’ny ambainy iray amin’ny iray hafa izay efa voavitrana. |
Farango halimo dimampolo no hamboarina, dia hatsofoka amin’ny tadivavarana mba hampikambana ny lay ho iray ihany.
Hopetahana kofehy volon’ondry miloko volomparasy ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa.
Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny enina hafa, ka ny lamba temitra fahenina dia haforitra eo anoloan’ny tranolay masina.
Nisy tadivavarana dimampolo tamin’ny sisin’ny vitrana tsirairay, ka nifanandrify tamin’ny laharan’ny tadivavarana teo amin’ny vitrana iray mifanila aminy.