Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 23:17 - DIEM PROTESTANTA

Koa intelo isan-taona izany ny lehilahy rehetra aminareo no ho tonga hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa intelo isan-taona izany ny lehilahy rehetra aminareo no ho tonga hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

koa intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra eo anatrehan’ny Tompo Iaveh.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’i Jehovah Tompo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan'ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan'i Jehovah Tompo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra.

Jereo ny toko



Eksodosy 23:17
11 Rohy Ifampitohizana  

Ao ireo fokon’i Israely, dia ireo fokon’ny TOMPO, no miakatra hidera ny TOMPO: fepetra ho an’i Israely izany.


Tahaka ny diera maniry ranovelona no aniriako Anao, Andriamanitra ô.


Mangetaheta an’Andriamanitra aho, dia ilay Andriamanitra velona. Rahoviana aho no hiditra an-tempoliny mba ho afaka hiseho eo anatrehany?


Rehefa mandalo ny lohasahan’ny Balsama izy, dia hasian’Andriamanitra loharano izany; sady avy koa ny loha orana hameno kamory azy.


«Fety telo no hankalazainareo isan-taona ho fanomezam-boninahitra Ahy.


«Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra ao aminareo no hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Ianareo izay tonga hiseho eto anatrehako, moa Izaho ve no nangataka anareo hanitsakitsaka ny kianjan’ny tempoliko?


Nony feno 12 taona i Jesoa, dia lasa izy telo mianaka niara-niakatra araka ny fanao amin’izany fankalazana izany.


satria ilay toerana hofidiny eo amin’ny fokonareo rehetra mba honenany sy hipetrahan’ny voninahiny no hitadiavanareo Azy, ao ihany no halehanareo.


Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny toerana izay hofidiny, dia amin’ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekôsta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO;