Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 23:14 - DIEM PROTESTANTA

14 «Fety telo no hankalazainareo isan-taona ho fanomezam-boninahitra Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Intelo isan-taona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 «Fety telo no hankalazainareo isan-taona ho fanomezam-boninahitra Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 «Intelo isan-taona no hanaovanao fety fankalazana Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Intelo isan-taona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 23:14
14 Rohy Ifampitohizana  

Intelo isan-taona i Salômôna no nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin’ny alitara izay naoriny ho an’ny TOMPO. Ary nampandoro vovo-javamanitra koa izy ho fanajana ny TOMPO. Izany no nampiasany ny tempoly.


Araka ny didin’i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan’andro i Salômôna tamin’ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany hoe ny fety fihinanana mofo tsy misy leviora, ny fetin’ny Pentekôsta ary ny fetin’ny Tranotomboka.


Koa intelo isan-taona izany ny lehilahy rehetra aminareo no ho tonga hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.


«Aza manao andriamanitra sarivongana ho anareo.


«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.


Fa rehefa ny vahoaka kosa no tonga hiankohoka amiko TOMPO amin’ny fotoan-dehibe, izay miditra amin’ny vavahady avaratra dia hivoaka amin’ny vavahady atsimo; ary izay miditra amin’ny vavahady atsimo dia hivoaka amin’ny vavahady avaratra. Tsy hisy olona hiverina amin’izay vavahady nidirany fa samy hivoaka amin’ny vavahady an-daniny.


ka amin’ny ampitson’ny sabata fahafito dia dimampolo andro no ho voaisanareo. Amin’io andro io dia manolora fanatitra vaovao ho Ahy TOMPO indray ianareo;


mba hamepetra ny Israelita hoe: «Ny andro faha-15, amin’ny volana fahafito, no hiantombohan’ny fankalazana ny Tranotomboka, ho fanajana Ahy TOMPO mandritra ny fito andro.


«Ireto kosa no fankalazana manetriketrika hafa naraikitro ka hasiana fanompoam-pivavahana koa amin’ny fotoany avy:


«Ny volana voalohany, andro faha-14, rehefa hariva, dia fankalazana ny Paska hanajana Ahy TOMPO.


Tandremo fa amin’ny volana Abîba no hankalazanareo ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo. Volana Abîba manko no nitondran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo niala tany Ejipta tamin’ny alina.


Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny toerana izay hofidiny, dia amin’ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekôsta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO;


Isan-taona i Elkanà dia nandao an’i Ramà tanànany mba hivavaka sy hanao sorona amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tany Silao; mpisoron’ny TOMPO tao koa i Hôfnỳ sy i Pinehasa zanakalahin’i Helỳ.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra