tsy manao teny manendrikendrika olona sady tsy manisy ratsy ny namany, na manompa ny mpiara-monina aminy;
Eksodosy 20:16 - DIEM PROTESTANTA «Aza mety ho vavolombelona mandainga hamelezana ny namanao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Aza mety ho vavolombelona mandainga hamelezana ny namanao. Baiboly Katolika «Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy Aza mety ho vavolombelona mandaiga hanameloka ny namanao. Malagasy Bible Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. La Bible en Malgache Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. |
tsy manao teny manendrikendrika olona sady tsy manisy ratsy ny namany, na manompa ny mpiara-monina aminy;
«Aza manely tsaho foana, na manao vavolombelona mandainga hiray tsikombakomba ny olon-dratsy.
Mpihatsaravelatsihy izay manafina ny fankahalany; fa adala izay mampiely endrikendrika.
Ny mpanely fanaratsiana no manambara tsiambaratelo; fa ny olo-mahatoky kosa mahay manafin-javatra.
Tsy ho afa-maina ny vavolombelona mandainga; ary tsy ho dify famaizana ny mpamafy lainga.
Mandratra toy ny langilangy na sabatra na koa zana-tsipîka maranitra ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namany.
Aza manely fanendrikendrehana olona eo amin’ny mpiray firenena aminareo. Aza mitsangan-ko vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namanareo ho faty. Izaho no TOMPO.
Aza mamaly ratsy na manao lolom-po amin’ny mpiray firenena aminao fa tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao. Izaho no TOMPO.
Fa hoy ilay zatovo taminy: –Didy sahala amin’inona moa izany? Ka izao no navalin’i Jesoa: –Ny didy sahala amin’ny hoe: Aza mamono olona, aza maka vadin’olona, aza mangalatra, aza manao vavolombelona tsy marina;
Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe: –Mba inona kosa no tokony hataonay? Dia hoy izy taminy: –Aza maka zavatr’olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin’ny karamanareo.
sady nananganany vavolombelona mandainga hiampanga azy hoe: –Tsy mitsahatra miteny manohitra ity tempoly masina ity sy ny lalànan’i Mosesy io lehilahy io,
Aoka ianareo tsy ho mpanao an-dolompo, tsy ho vinitra, tsy ho mora tezitra, tsy ho avo vava, tsy hanevateva: esory lavitra anareo avokoa izany, miaraka amin’ny haratsiam-panahy isan-karazany.
ny mpijangajanga, ny mpifampila samy lehilahy, ny mpivarotra olona, ny mpandainga sy mpianian-tsy to, ary izay manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana tsy misy tomika.
tsy hifaditra ovana, tsy hitsimbina fihavanana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, hisetrasetra, hankahala ny tsara,
Aza mifanaratsy, ry havana! Izay manaratsy ny havana iray finoana na manameloka azy dia sady manaratsy no manameloka ny lalàna. Ka raha manameloka ny lalàna ianao, dia tsy mpanatanteraka ny lalàna fa mpitsara azy.