Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 20:1 - DIEM PROTESTANTA

Dia nanambara ireto teny rehetra ireto tamin’ny Israelita Andriamanitra ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanambara ireto teny rehetra ireto tamin’ny Israelita Andriamanitra ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

DIA nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra:

Jereo ny toko



Eksodosy 20:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin’ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fepetra sy didy lavorary.


Dia nidina nankeo amin’ny vahoaka i Mosesy ary niteny taminy.


–Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.


Rehefa vory ho fiangonana tany an-taniefitra ny vahoaka Israely, dia i Mosesy no teo anelanelan’ireo razantsika sy ilay anjely niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay; ka izy no nandray ny teny mahavelona avy amin’Andriamanitra mba homena antsika.


Nandray ny lalànan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy.


Dia nosoratan’ny TOMPO teo amin’ireo takela-bato ireo izay voasoratra tamin’ny takela-bato teo aloha, dia ny didy folo nampitain’ny TOMPO taminareo; tao an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo, no nilazany an’ireny taminareo fony ianareo vory ho fivondronambe; dia nomen’ny TOMPO ahy ireo takela-bato ireo.


Moa efa nisy ve firenena nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao anatin’ny afo, tahaka ny efa renareo ka mbola velona ihany?


Avy tany an-danitra no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin’ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin’izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny.


Ireo didy ireo no nampitain’ny TOMPO tamim-peo mahery tany an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo sy ny setroka ary ny rahona mikitroka. Ianareo Israelita rehetra izay tafavondrona teo am-bodin’ny tendrombohitra no nampitany azy ary tsy nanampiany na inona na inona. Ireo didy ireo avy eo dia nosoratany tamin’ny takela-bato anankiroa izay natolony ahy.


Tany an-tendrombohitra sady avy tao anatin’ny afo no niteny nifanatrika taminareo ny TOMPO.


«Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.