Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 2:7 - DIEM PROTESTANTA

Fa niteny tamin’ny zanakavavin’ny Farao kosa ilay anabaviny nanao hoe: –Handeha hiantso vehivavy mpitaiza ho anao amin’ny vehivavy hebreo ve aho mba hitaiza ny zaza ho anao?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy ilay anabavin’ny zazakely tamin’ny zanakavavin’i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy hebreo va aho hankaty aminao mba hataonao mpitaiza azy?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa niteny tamin’ny zanakavavin’ny Farao kosa ilay anabaviny nanao hoe: –Handeha hiantso vehivavy mpitaiza ho anao amin’ny vehivavy hebreo ve aho mba hitaiza ny zaza ho anao?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tamin’izay kosa ny anabavin’ity zaza dia niteny tamin’ny zanakavavin’i Faraôna nanao hoe: «Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin’ny vehivavy Hebrio hampinono io zanany io?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hoy kosa ny anabaviny tamin’ny zanakavavin’i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hoy kosa ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy ilay anabavin’ny zazakely tamin’ny zanakavavin’i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy hebreo va aho hankaty aminao mba hataonao mpitaiza azy?

Jereo ny toko



Eksodosy 2:7
6 Rohy Ifampitohizana  

Naka ampongatapaka i Miriama, mpaminanivavy anabavin’i Aharôna, ary lasa nanaraka azy avokoa ny vehivavy israelita rehetra ka nitondra ampongatapaka sady nandihy.


Nijanona lavidavitra ny anabaviny mba hijery izay hanjo azy.


Nosokafan’ny andriambavy ilay sobika, ka intỳ hitany tao zazalahy kely mitomany; ary onena azy izy ka niantso hoe: –Zanaka Hebreo ity!


Dia novalian’ny andriambavy hoe: –Mandehana àry! Dia nandeha razazavavy ka ny renin’ilay zazalahy ihany no nantsoiny.


Nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy i Aharôna noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.


izay nanambady an’i Jôkebeda zanakavavy naterak’i Levỳ tany Ejipta. Io Jôkebeda io no nanome zanaka telo an’i Hamrama dia i Aharôna sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny.