Ary nitarainan’i Abrahama i Abimelèka noho ilay lavaka fantsakana nalain’ireo mpanompon’i Abimelèka an-keriny.
Eksodosy 2:17 - DIEM PROTESTANTA Fa tonga ireo lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka ireto zazavavy; dia nitsangana i Mosesy ka namonjy ireto zazavavy sady nampisotro ny biby fiompy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa tonga teo kosa ny lehilahy mpiandry ondry sasany ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana i Mosesy namonjy azy dia nampisotro rano ny ondry aman’osiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tonga ireo lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka ireto zazavavy; dia nitsangana i Mosesy ka namonjy ireto zazavavy sady nampisotro ny biby fiompy. Baiboly Katolika Kanjo tonga ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana kosa i Môizy niaro azy sy nampisotro rano ny biby fiompiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman-osiny. Malagasy Bible Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman'osiny. La Bible en Malgache Nefa tonga teo kosa ny lehilahy mpiandry ondry sasany ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana i Mosesy namonjy azy dia nampisotro rano ny ondry aman’osiny. |
Ary nitarainan’i Abrahama i Abimelèka noho ilay lavaka fantsakana nalain’ireo mpanompon’i Abimelèka an-keriny.
Ary rehefa nahita an’i Rahely zanakavavin’i Labàna anadahin-dreniny sy ireo ondry aman’osiny i Jakôba, dia nanatona nanaisotra ny vato teo amin’ny vava fantsakana, ka nampisotro ireo ondry aman’osin’ny anadahin-dreniny.
Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin’ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian’ondry aman’osy; aorian’izany, dia averina ho amin’ny toerany eo amin’ny vava fantsakana ilay vato.
Nijerijery manodidina i Mosesy ka hitany fa tsy nisy olona; dia novonoiny ho faty ilay Ejiptianina ary nasitriny tao anaty fasika.