Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 18:9 - DIEM PROTESTANTA

Nahafaly an’i Jetrao ny soa rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Israelita izay nafahany tamin’ny famoretan’ny Ejiptianina,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia faly i Jetro noho ny soa rehetra izay nataon’NY TOMPO tamin’ny Israelita izay novonjeny ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejiptiana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahafaly an’i Jetrao ny soa rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Israelita izay nafahany tamin’ny famoretan’ny Ejiptianina,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ka faly i Jetrô noho ny soa rehetra nataon’i Iaveh tamin’i Israely sy ny nanafahany azy tamin’ny tanan’ny Ejiptianina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon’i Jehovah tamin’ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin’ny tànan’ny Egyptiana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon'i Jehovah tamin'ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia faly i Jetro noho ny soa rehetra izay nataon’NY TOMPO tamin’ny Israelita izay novonjeny ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejiptiana.

Jereo ny toko



Eksodosy 18:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Nofafako toy ny rahona ny fahadisoanao ary nolevoniko toy ny zavona ny fahotanao. Koa miverena amiko ianao fa efa navotako.»


Miasa ny TOMPO ka mihobia, ry lanitra, ary miravoravoa, ry fanambanin’ny tany. Ataovy manako ny hoby, ry tendrombohitra mbamin’ny ala sy ny hazo rehetra ao, fa ny TOMPO efa nanavotra ny firenen’i Jakôba ary efa naneho voninahitra tamin’ny vahoaka Israely.


Hampahatsiaroviko ireo mari-pitiavan’ny TOMPO sy ireo antony tokony hiderantsika AZY, araka izay rehetra nataony tamintsika mbamin’ny soa be nafafiny ho an’ny taranak’Israely. Famindrampo sy fitiavana tsy hita lany no nanaovany an’izany ho azy.


Ianareo rehetra izay tia an’i Jerosalema, miaraha mifaly aminy, eny, miravoravoa. Ianareo rehetra izay nisaona noho ny loza nanjo azy, aoka hiara-paly aminy tokoa!


Mifankatiava toy ny mpiray tampo; miezaha amin’ny fifanajana.


Miaraha mifaly amin’izay mifaly, miaraha mitomany amin’izay mitomany.


Koa raha mijaly ny zavatra anankiray anisan’ny tena, dia miara-mijaly avokoa ny zavatra rehetra anisan’ny tena; fa raha omem-boninahitra ny zavatra anankiray anisan’ny tena, dia miara-mifaly avokoa ny zavatra rehetra anisan’ny tena.


Hoy izy tamin’ny Kenita: «Mandehana ianareo ka ilaozy ny Hamalekita, fandrao haringako miaraka aminy koa ianareo; fa mba nanisy soa ny Israelita ihany manko ianareo, raha niala tany Ejipta izy.» Dia nisaraka tamin’ny Hamalekita ny Kenita.