Mofo avy tany an-danitra no nomenao azy hanafaka ny hanoanany; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hanala hetaheta azy; ary nilazanao izy fa hiditra haka ny tany izay efa nianiananao homena azy.
Eksodosy 17:3 - DIEM PROTESTANTA Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo no nangetaheta ny olona ka nimonomonona tamin’i Mosesy ary niteny hoe: Nahoana no noentinao niakatra niala tany Ejipta ho fatin’ny hetaheta izahay sy ny zanakay ary ny bibinay? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve? Baiboly Katolika Teo ihany anefa ny vahoaka main’ny hetaheta, ka nimonomonona tamin’i Môizy nanao hoe: «Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin’ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin’ny bibinay?» Baiboly Protestanta Malagasy Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin’i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana hianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay? Malagasy Bible Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay? La Bible en Malgache Teo no nangetaheta ny olona ka nimonomonona tamin’i Mosesy ary niteny hoe: Nahoana no noentinao niakatra niala tany Ejipta ho fatin’ny hetaheta izahay sy ny zanakay ary ny bibinay? |
Mofo avy tany an-danitra no nomenao azy hanafaka ny hanoanany; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hanala hetaheta azy; ary nilazanao izy fa hiditra haka ny tany izay efa nianiananao homena azy.
Nomenao azy koa ilay Fanahinao tsara mba hahatonga hahay manavaka. Ianao nandefa hatrany ny mana ho sakafony sy namorona rano hanala hetaheta azy.
Nisy koa olona maro hafa fiaviana niara-nandeha tamin’izy ireo. Ombàn’ny ondry aman’osy sy omby amin’andiany be dia be.
sady niteny tamin’i Mosesy hoe: –Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta?
Nahita ny voninahitro sy ny asa mahagaga nataoko tany Ejipta sy tany an-taniefitra izy ireo, nefa tsy nitsahatra naka fanahy Ahy tamin’ny tsy fihainoany ny teniko;
Fa nahoana no nentinareo atỳ an-taniefitra izahay fiangonan’ny TOMPO? Mba hahafaty anay sy ny biby fiompinay atỳ ve?