Arangarangao ny lefona sy famaky ka sakano ireo mpanenjika ahy; ary lazao ho tokin’aiko ny hoe: «Izaho no ho mpamonjy anao!»
Eksodosy 17:12 - DIEM PROTESTANTA Ary nony vizaka ireo sandrin’i Mosesy, dia nalain’i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan’i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin’io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa vizana ny tanan’i Mosesy ka naka vato izy roa lahy, nataony teo ambanin’i Mosesy hipetrahany. I Arona sy i Hora dia nanohana ny tanany, koa ny iray dia teo an-daniny ary ny iray dia teo an-kilany; dia naharitra tsy ketraka intsony ny tanany mandra-pahafatin’ny masoandro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony vizaka ireo sandrin’i Mosesy, dia nalain’i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan’i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin’io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro. Baiboly Katolika Nony efa vizana ny tanan’i Môizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary i Aarôna sy i Hora kosa nanohana ny tanany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro. Baiboly Protestanta Malagasy Fa efa vizana ny tànan’i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ny anila, ary ny iray kosa tamin’ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ny masoandro. Malagasy Bible Fa efa vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny masoandro. La Bible en Malgache Nefa vizana ny tanan’i Mosesy ka naka vato izy roa lahy, nataony teo ambanin’i Mosesy hipetrahany. I Arona sy i Hora dia nanohana ny tanany, koa ny iray dia teo an-daniny ary ny iray dia teo an-kilany; dia naharitra tsy ketraka intsony ny tanany mandra-pahafatin’ny masoandro. |
Arangarangao ny lefona sy famaky ka sakano ireo mpanenjika ahy; ary lazao ho tokin’aiko ny hoe: «Izaho no ho mpamonjy anao!»
Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita.
rehefa avy nilaza tamin’ny loholona hoe: «Andraso eto izahay mandra-piverinay. Indreo i Aharôna sy i Hora hijanona miaraka aminareo; koa raha misy manana olana, dia manatòna azy roa lahy.»
satria ianareo koa hanampy anay amin’ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an’Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.
Mivavaha hatrany ary mangataha ny fanampian’Andriamanitra amin’izany; eny, mivavaha mandrakariva araka izay anentanan’ny Fanahy Masina anareo. Miambena sy mazotoa hatrany mba hahatongavana amin’io tanjona io, ary dia mivavaha ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.
satria fantatro fa ho tonga famonjena ahy noho ny vavakareo ary noho ny fanampian’ilay Fanahy Masina nampanantenain’i Jesoa Kristy.
Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany ombàn’ny fisaorana an’Andriamanitra.
Tsy maintsy mino tsara anefa izy rehefa mangataka, fa tsy hiahanahana; satria izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina tsofin’ny rivotra sy atopatopany.
Tsy nampidinin’i Josoa ny tanany nanambana lefona ambara-paharingan’ny mponina rehetra tao Hay.