Ary rehefa maty i Hazobà, dia i Efrata no nalain’i Kaleba ho vadiny; ary io no niterahany an’i Hora.
Eksodosy 17:10 - DIEM PROTESTANTA Dia lasa i Josoa niady tamin’ny Hamalekita araka izay efa nandidian’i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon’ny havoana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanatanteraka izay nolazain’i Mosesy taminy i Josoa ka niady tamin’ny Amalekita. Fa i Mosesy sy i Arona ary i Hora kosa dia niakatra ho ao an-tampon’ny havoana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia lasa i Josoa niady tamin’ny Hamalekita araka izay efa nandidian’i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon’ny havoana. Baiboly Katolika Dia nataon’i Jôsoe izay nandidian’i Môizy azy, dia niady tamin’i Amaleka izy; fa i Môizy sy i Aarôna ary i Hora kosa niakatra tany an-tampon’ny havoana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy, ka niady tamin’ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon’ny havoana. Malagasy Bible Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana. La Bible en Malgache Ary nanatanteraka izay nolazain’i Mosesy taminy i Josoa ka niady tamin’ny Amalekita. Fa i Mosesy sy i Arona ary i Hora kosa dia niakatra ho ao an-tampon’ny havoana. |
Ary rehefa maty i Hazobà, dia i Efrata no nalain’i Kaleba ho vadiny; ary io no niterahany an’i Hora.
Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita.
Ary nony vizaka ireo sandrin’i Mosesy, dia nalain’i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan’i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin’io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro.
rehefa avy nilaza tamin’ny loholona hoe: «Andraso eto izahay mandra-piverinay. Indreo i Aharôna sy i Hora hijanona miaraka aminareo; koa raha misy manana olana, dia manatòna azy roa lahy.»
–Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda,
sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.
Dia hoy ny renin’i Jesoa tamin’ireo mpanompo: –Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy!
Izay baiko rehetra nomen’ny TOMPO an’i Mosesy mpanompony dia nampitainy tamin’i Josoa; ka izany no nataon’i Josoa tsy nisy namelany.