Nisy ihany anefa olona tsy nankatò an’i Mosesy ka namela sisa ho tra-maraina, saingy nivoaka olitra ireny ka maimbo; koa tezitra tamin’ireo i Mosesy.
Eksodosy 16:21 - DIEM PROTESTANTA Hatreo dia nanangona izay sahaza hohaniny avy isa-maraina ny olona; ary rehefa nafana ny andro dia nitsonika ireny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanangona ny mana isa-maraina ny olona, samy araka izay sahaza azy avy; ary nony nafana ny andro dia levona ireny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hatreo dia nanangona izay sahaza hohaniny avy isa-maraina ny olona; ary rehefa nafana ny andro dia nitsonika ireny. Baiboly Katolika Isa-maraina izy ireo no nanangona ny mana, samy araka izay fihinany avy; fa rehefa mafana ny andro, dia levona niempo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny. Malagasy Bible Ary nanangona ny mana isa-maraina ny olona, dia samy araka izay fihinany avy; ary nony nafana ny andro, dia levona ireny. La Bible en Malgache Nanangona ny mana isa-maraina ny olona, samy araka izay sahaza azy avy; ary nony nafana ny andro dia levona ireny. |
Nisy ihany anefa olona tsy nankatò an’i Mosesy ka namela sisa ho tra-maraina, saingy nivoaka olitra ireny ka maimbo; koa tezitra tamin’ireo i Mosesy.
Tamin’ny andro fahenina dia sakafo indroa heny no nangonin’ny olona, izany hoe imbalon’ny zingan-drano isan’olona. Dia lasa nanao tatitra tamin’i Mosesy ireo mpitarika ny vahoaka,
Aza hadino Ilay nahary anao amin’ny androm-pahatanoranao. Tsarovy Izy dieny tsy mbola tonga ny androm-pahosanao ary tsy mbola mihatra ny taona izay hitenenanao hoe: «Mankaleo ahy ny miaina.»
Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.
Nefa katsaho aloha ny Fanjakàn’Andriamanitra sy ny hanao ny marina nosoritany, dia homeny anareo ho fanampiny ireny rehetra ireny.
Dia hoy i Jesoa taminy: –Kely foana sisa hitoeran’ny fahazavana eo aminareo. Mandehana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba tsy ho tratry ny haizina ianareo; fa izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany.
Fa hoy Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina: «Tamin’ny fotoana mety, dia namaly ny antsonao Aho; ary tamin’ny androm-pamonjena, dia tonga namonjy anao Aho.» Indro ankehitriny no fotoana mety amin’Andriamanitra; indro ankehitriny no androm-pamonjena.