Ary i Abrahama namboly hazo voamadilo tao Beera-Seba, ka teo no nivavahany tamin’ilay Andriamanitra mandrakizay sy niantsoany Azy hoe TOMPO.
Eksodosy 15:18 - DIEM PROTESTANTA TOMPO ô, Ianao no mpanjaka mandrakizay! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 NY TOMPO hanjaka mandrakizay doria. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara TOMPO ô, Ianao no mpanjaka mandrakizay! Baiboly Katolika Hanjaka mandrakizay doria i Iaveh! Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah hanjaka mandrakizay doria. Malagasy Bible Jehovah hanjaka mandrakizay doria. La Bible en Malgache NY TOMPO hanjaka mandrakizay doria. |
Ary i Abrahama namboly hazo voamadilo tao Beera-Seba, ka teo no nivavahany tamin’ilay Andriamanitra mandrakizay sy niantsoany Azy hoe TOMPO.
Ny TOMPO no mpanjaka mandrakizay mandrakizay; ho fongotra amin’ny taniny ny mpanompo sampy.
Hanjaka mandrakizay ny TOMPO, dia ny Andriamanitrao, ry Tsiôna ô, amin’ny taona mifandimby. Haleloià!
Ny TOMPO no mitoetra ho mpifehy na dia ny rano tsy hita faritra aza; mitoetra ho mpanjaka mandrakizay IZY.
Injay ny TOMPO Izay maharitra mandrakizay: mametraka ny sezafiandrianana hitsarany Izy,
Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.
«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
Ary nanome baiko aho mba hoentina eo anatrehako avokoa ny olon-kendrin’i Babilôna rehetra hampahafantatra ahy ny hevitry ny nofy.
Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny foko sy firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ny fanapahany dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-petra, ary ny fanjakany tsy ho rava na oviana na oviana.
Ny fahefà-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana rehetra eny ambanin’ny lanitra dia homena ny vahoakan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefà-manjakan’io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy.
aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! *Amen.]
ary tonga mpanjakan’i Jesoròna ny Tompo fony tafangona ny lehiben’ny vahoaka mbamin’ireo foko israelita rehetra.